INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely, teo Ambohidahy ny talem-paritry ny UNFPA aty amin’ny faritra ilany Atsimo Atsinanan’i Afrika, Lydia Zigomo. Niompana tamin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ka ho betsaka ny asa iarahana eo amin’ny minisitera sy ny UNFPA.

Hanatanteraka foara andiany voalohany ny ivontoerana mpamokatra ny fitaovana enti-mampianatra eny anivon’ny sekoly (Cnapmad) eny Ankorondrano ao anatin’ny foibe toerany. Hanomboka ny 21 marsa ho avy izao ka haharitra valo andro ny hetsika iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Nihaona tamin’ny minisitry ny Tontolo iainana ny solontenan’ny Mpanazava eto Madagasikara, omaly. Nodinihina ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro amin’ny ankizivavy. Nahafahana nametraka fomba fiasa eo amin’ny minisitera sy ny Mpanazava ny fihaonana. Nitondrana ny soso-kevitra entina miaro ny tontolo iainana.

Novolavolaina tao Toamasina, ny herinandro teo, ny drafitrasa fanaraha-maso ny ady amin’ny tazomoka hatramin’ny 2027, mifandraika amin’ny paikady nasionaly hiarovana sy hiadiana amin’ity aretina ity eto Madagasikara. Mbola anisan’ny aretina mahafaty eto amintsika ny tazomoka, indrindra amin’ireo toerana lavitra toeram-pitsaboana.

Partager sur: