Tsy fahampian’ny tetibola: hisy ny hetra ara-tontolo iainana

Anisan’ny ady hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fanatsarana ny tontolo iainana. Tsy ampy anefa ny ho­enti-manana sy ny tetibola hanatanterahana ireo paikady samihafa mifandraika amin’izany. Vahao­lana raisin’ny fanjakana hiarovana ny tontolo iainana sy ho an’io tsy fahampian’ny tetibola io ny hametrahana ny hetra ara-tontolo iainana.
Efa nisy ny fakan-kevitra natao tany amin’ny faritra sy ny nasionaly. Miisa 20 ny sokajin’asa voakasiky ny hetra ara-tontolo iainana, ka tafiditra ao anatin’izany ny akora simika manimba ny tontolo iainana. Natao, omaly 13 marsa ny atrikasa nakana ny tsoa-kevitra mahakasika ny fametrahana ity sokajin-ketra ity, niarahana tamin’ireo mpiantsehatra isan’ambaratongany. Dingana manaraka ho tanterahina ny hamoahana ny lalàna mifehy ny hetra ara-tontolo iainana sy ny fampiharana azy eto Mada­gasikara.
Miara-miasa amin’ny fa­metrahana ity paikady vaovao hamatsiam-bola maharitra ny fiarovana ny tontolo iainana ity ny Fandaharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampadrosoana maharitra (Medd).

Njaka A.

Partager sur: