VAOVAO TAMBATRA

Nandray ireo mpianatra ho injeniera ao amin’ny sampana Taotrano sy Asa vaventy eny amin’ny sekoly ambony Politeknika Vontovorona ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja, omaly. Anisan’ny nangatahan’ireto mpianatra taona fahaefatra ireto tamin’ny minisitra ny ho mpiahy ny andiany faha-51.
Miisa 90.000 ny fototra kafe antitra notapahana mba ho tanora indray any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Fitovinany. Nanohana ny mpamboly ao anatin’ny kaoperativa Tsinjo Ezaka Andemaka (KTEA) ny tetikasa Defis, manana saha sekoly 189. Misy koa fizarana zanakazo kafe miisa 850 000 izay efa vokatra ho an’ny tantsaha miisa 62.
Niakatra ho 7,1% ny vidin-tsakafo nanomboka ny volana janoary 2023 ka hatramin’ny voalohan’ny taona teo. Nisondrotra 7,9% koa ny vidim-bary raha toa ka niakatra 7,6% kosa ny vidin’ny PPN sy ny zava-pisotro tsy misy alikaola. Tafakatra hatrany amin’ny 11% ny vidin’ireo fanaka sy kojakoja fampiasa an-dakozia.
Mbola miato hatramin’izao ny fitanterana an-dalam-by mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE), taorian’ilay lozam-pifamoivoizana namoizan’ain’olona telo teo anelanelan’i Sahasinaka sy Fenomby. Tsiahivina fa niala tao Manakara nihazo an’i Fianaran­tsoa ny lamasinina no nitranga ny loza ny 31 janoary lasa teo.

Partager sur: