Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Anosy, ny fanohizana ny tetikasa ho amin’ny Drafitry ny fahazoana tany (Plof). Betsaka ireo tombony hositrahan’ny sehatra rehetra amin’izany.
Nankasitrahan’ny minisitra Andriantsitohaina Naina ny ezaka sy ny fanohanan’ireo mpamatsy vola eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny fanamorana ny tontolon’ny fananantany eto amintsika. Maniry ny tenany ny hanohizana izany amin’ny dingana manaraka. Nitondra fanazavana kosa ny avy amin’ny fandrefesantany fa fitaovana iray amin’ny famoahana karatany ary mamaha ny olan’ny boky rovitra ny “Plof”, tafiditra amin’ny tetikasa “Casef”. “Ahafahantsika mandrindra ny tontolon’ny fananantany ny Plof. Tsy maintsy misy fidinana ifotony koa anefa izany ka jerena eny an-toerana raha ny momba ny boky rovitra sy ny “Plan” potika na simba. Haverina tahaka ny teo aloha izany avy eo, aorian’ny fitsarana izany eny amin’ny tribonaly”, hoy ny talen’ny Fandrefesantany, Olivier José Michel.
Nampiasana zanabolana ny sarin-tany…
Miasa amin’ny faritra 14 ny Plof ka anisan’izany ny any Diana, Boeny, Sofia, Betsiboka. Eo koa ny any Atsinanana, Sava, Analanjirofo, Atsinanana, Amoron’i Mania, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Bongolava, Itasy ary Analamanga. “Nenjehina nanaovana ny Plof ireo kaominina efa nanaovana karatany faobe”, hoy ny mpandrindra lefitry ny tetikasa “Casef”, Rabary Niry Sariaka.
Nanterin’izy ireo fa heverina ny hanohizana ity tetikasa ity amin’ny kaominina 150. Nambarany koa fa laharam-pahamehana ny fametrahana ny “Plof“ manerana ny Nosy.
Tsiahivina fa anisan’ny namatsy vola amin’ny nahazoana ny sarin-tany rehetra manerana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny zanabolana ny eo anivon’ny “Casef”. Hita amin’izany avokoa ireo tany, lalana, fotodrafitrasa na koa farihy sy rano ary ny tanim-panjakana na koa ny tanin’olon-tsotra. “Ahafahana mijery ny fampiasam-bola azo atao koa izany”, hoy izy ireo.
Synèse R.




