IRMAR : handrotsaka kandidà tokana amin’ny fifidianana depiote

Tapaka fa ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRMAR) no rafitra ofisialy, hoentin’ny kandidà mpanohana ny fitondrana. Nampahafantarina, omaly izany.

Notanterahina omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy, ny vovonana Isika re­hetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRMAR). Vovonana ivondronan’ireo fikambanana, vonona, hiara-dia sy hiray vina amin’ny filohan’ny Re­poblika. Nandritra izany koa no nanambaran’izy ireo ny handrotsahany kandidà tokana. Olona mahafeno ny fepetra apetraka mandritra ny fifidianana solombavambahoaka, manerana an’i Madagasi­kara. «Ny hahazoana ny maro anisa no zava-dehibe ka manaiky izay kandidà voafidy hisolontena ny IRMAR izahay, na inona na inona antoko politika niaviany», hoy i Lalatiana Rakotondrazafy, avy amin’ny Armada.

Ireo antoko politika 13 mivondrona ao anatin’ny Armada, ny antoko politika sy fikambanana miisa 19 ao anatin’ny Upar ary ireo fikambanana tanora sy vehivavy miisa 88 miparitaka manerana ny Nosy no mandrafitra ny vovonana. Olona tokana, isaky ny distrika ihany no tohan’ny vovonana ity.
Hisy ny sivana

Misokatra manomboka anio hatramin’ny 27 marsa 2024, ny fandraisana ny an­totan-taratasy mirakitra ny momba izay vonona ho kandidàn’ny IRMAR. Misy ny mpandray izany eny amin’ny Arena, Ivandry. Fepetra voalohany takina amin’izy ireo ny fano­hanany ny filoha Rajoelina Andry. Manaraka izay, nanao fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Anisan’ny goavana indrindra, olona manana
ny enti-manana ara-pitaovana sy ara-tserasera hanaovana fampielezan-kevitra. Misy
ny fepetra maro samihafa, takina rehefa tonga eny an-toerana.
«Hisy ny sivana ho an’ izay vonona ho kandidà. Tsy maintsy hita taratra ny maha olona manana herijika ny ho lany. Toraka izany, ny tanjany, indrindra hitondra ny lokon’ny vovonana amin’ny fifidianana», araka ny filazan’ny vovonana.

Lin

Partager sur: