Kidnapping ao Ankazobe : tsy mety tratra ireo tena atidoha

Fito volana izay, misy kidnapping ao Ankazobe! Tsy mbo­la tra-tehaka ny atidoha mpikotrika iza­ny. Voalazan’ny lo­ha­ranom-baovao ane­fa fa miriaria sy mivezivezy malalaka izy.

Anarana iray malaza, tsy misy izay tsy mahalala azy Radobe (iniana tsy avoaka ny anarany feno ho fanajana ny tsy maha meloka avy hatrany azy). Anisan’ny lohalisitra amin’ireo hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana izy, mandritra ny hetsika “Harato 2”. Betsaka ny fifampitifirana tany ambanivohitra, maro ny jiolahy efa voasambotra, izay samy manonona ny anarany, saingy tsy mety voasambotra ny lehilahy. Ra­ha ny angom-baovao farany natao, nandritra ny fanaovana fanadihadiana lalina momba ny tranga ao Ankazobe, miafina tsy lavitra an’Ankazobe izy. “Raha ny vaovao farany azonay dia miriaria amin’ny sakeli-tanàna maro ao An­ta­nanarivo Radobe. Miara-miafina aminy ny vadiny. Ireo na­many akaiky no manafina azy”, hoy ny loharanom-baovao iray, anatin’ny fianakaviany izay tsy hotononina anarana. Amin’ny maha mpanao gazety, izay tsy manan-jo ny hisalovana ny asan’ny mpanao famotorana dia mijanona hatreo ny anjara asa.
Etsy ankilan’izay, tsy marina ny filazan’ireo olona akaiky ity ahina ho lehibe sy atidoha mpikotrika ny fakana an-keriny ao Ankazobe ity fa lasa any Dubaï izy. “Raha ny vaovao farany azoko avy amin’ny reniny dia lasa nankany Dubaï izy. Nitsoaka satria matahotra ny ainy. Efa mahoraka loatra ny fikasan’ny mpitandro filaminana fa hotifirina izy raha tratra”, hoy kosa ny loharanom-baovao iray hafa, izay tena akaiky sy mpifanerasera amin’ izy ireo.
Nisy ny fikaroham-baovao natao teny anivon’ny polisy misahana ny sisintany mahakasika izay. Voamarina fa tsy nivoaka an’i Madagasikara izy tamin’ny fotoana nanaovana fanadihadiana. Kolonely iray anisan’ny miandraikitra akaiky ny fikarohana azy no nanamafy fa: “Tsy nisy fivezivezena nivoaka an’i Madagasikara mihitsy io lehilahy io hatramin’ny 2016, nanaovana fanamarinana”.
Inona no antony?

Hatreto dia mbola mihanona amin’ny fijoroana vavolombelona ataon’ny voasambotra ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Efa manana ny porofo hafa anefa izy ireo saingy noho ny fanadihadiana mbola mandeha, tsy afaka ny mizara vaovao amin’ny mpanao gazety. Na izany aza, araka ny fanadihadiana natao tany ifotony, fianakaviana manana ny maha izy azy izy ireo ary anisan’ny mpanohana ny mpiasam-panjakana ka manana ny atao hoe “trosa ara-moraly” ihany koa ireto farany.
Raha nilaza isika tamin’ny fanadihadiana voalohany, navoaka ny 28 febroary lasa teo fa zary kilalao maloton’ny mpiasam-panjakana ny fakana an-keriny, dia mifameno amin’izany ihany ny vaovao. Mampitaraina ny mponina any ifotony ny karazana mizana tsindrian’ila ataon’ny manampahefana. “Rehefa manam-bola na fianakaviana manana ny maha izy azy dia avotsotra foana. Fa rehefa ny havanay, tambanivohitra, dia lazaina fa dahalo sy mpiray tsikombakomba ka meloka avy hatrany”, hoy ny fitarainan’izy ireo.
Manahy kolikoly sy fanaovana kiantranoantrano ny mponina any Ankazobe.
Anisan’ny tranga iray tena nampiaka-peo azy ireo ny mahakasika jiolahy roa, antsoina hoe Rolland sy Tantely. Dadatoan’ilay voalaza fa atidoha mikotrika ny fakana an-keriny. Ahina ho anisan’ny mpangalatr’omby ikoizana any an-toerana izy ireo. Nolazain’ny mponina fa saika hanaovana risoriso izy ireo ka saika havotsitra.
Mitsipaka izany anefa ny zandarimariam-pirenena, nanaovana fanadihadiana. Nilaza izy ireo fa diso ny vaovaon’ny mponina ary tsy maharaka ny tena zava-misy ireto farany. Olona efa voatifitra noho ny fikasany handositra sy fitarihana ny zandary tanaty vela-pandrika izy mirahalahy ireo, ny alahady faha-17 ny volana marsa teo.
Ny mahagaga fotsiny amin’ity tranga ity, tsy mbola namoaka didy fampisamborana na filazam-pikarohana ny mpitandro filaminana mandraka ankehitriny. Olona tsy miafina fa manao ranty eny amin’ny kaonty Facebookny ity olona lazaina fa jiolahy raindahiny ity. Inona no antony?

“Madio tanteraka izahay”, hoy ny zandary

Manoloana ny fiampangana ataon’ny mponina ny mpitandro filaminana dia mazava ny valinteny avy amin’ny tomponandraikitra:“ Madio tanteraka izahay, ary tena sahy milokaloka aminareo fa ny zandarimaria mamita iraka aty Ankazobe dia tsy manaiky kolikoly izany. Matetika aza io no ahitana loza sy hanaratsiana anay any amin’ny lehibe sasany. Misy olona efa hita fa dahalo sy ananana porofo saingy noho izy ireny mahitahita na miseho ho manana olon-dehibe mpiaro dia izahay mamono tena aty an-kianja no lotoina. Misy olona mety manana tombontsoa, tsy hisian’ny filaminana aty”, hoy ny manamboninahitra ambony iray, izay nangataka ny tsy hotononina anarana ihany koa.
Anisan’ny vondrona iray, manao hazalambo ny atidoha mpikotrika ireo fakana an-keriny sy fanafihana mitam-basy any an-toerana ny zandarimariam-pirenena. Saika isan’andro no mifanehatra sy mifampitifitra amin’ny jiolahy mitam-piadiana izy ireo. Olana ho azy ireo, araka ny fidinana ifotony nanamarina ny fitarainan’ny mponina dia ny tsy fahampian’ny fitaovana. Raha misy ny fifampitifirana dia ny mpitandro filaminana indray no lany bala satria voafetra ny anjara omena azy ireo. Ny jiolahy anefa sady maro ny andiany iray, manana basy mahery vaika toy ny Kalachnikov sy ny Mass 36, ary bala tsy lany laniana. “ Sady manao sorona ny ainy ny zandary no tsy maintsy manenjika vokatra ho an’ny mponina izay efa miraviravy tanana”, hoy hatrany ity manamboninahitra ambony ity.

Tsy ampy fitaovana

Manaiky rahateo ny olana sedraina momba ny fampitaovana ny jeneraly iray eo anivon’ny fibaikoana ny zandarimaria, tamin’ny herin’ny talata teo (19 marsa), raha nanontaniana ny mahakasika ny fitaovana enti-miady amin’ny jiolahy any ambanivohitra. Mahakasika manokana an’Ankazobe, teboka iray tena nahabe resaka ny tsy fananan’ny mpitandro filaminana fitaovana ahafahana mahita lavitra sy mandeha amin’ny alina. “Paikadin’ny jiolahy anefa ny mampiditra ny mpitandro filaminana anaty vela-pandrika mba hiadivana amin’ny alina na ny tsy ahafahana manenjika azy ireo. Ny jiolahy ao Ankazobe dia misafidy ny tsy mandeha atoandro satria efa mahafehy tsara ny toerana. Maka aina ny atoandro, mandositra sy mifindra lasy amin’ny alina”, hoy ny fijoroana vavolombelona ataon’ny ekipan’ny hetsika “Harato 2”.
Mila tohana sy fampitaovana haingana sy anatin’ny hamehana ny mpitandro filaminana mamita iraka, manerana ny Nosy, indrindra fa ny ao Ankazobe, raha tiana ny hahita vokatra haingana. Tsy mifandanja ny hery noho ny jiolahy ampy basy sy bala, mahafehy ny toerana no arovan’ny vahoaka ihany koa.

Tsy miray saina
Anisan’ny rangory fototry ny afo amin’ny tsy fahombiazan’ny asa eny an-kianja ihany koa ny tsy fitovian-tsain’ny samy mpitandro filaminana. Zary misy ny fifanilihana andraikitra ataon’ny ekipa any ifotony ary misy ny toe-javatra tsy mazavazava. Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny toerana samihafa, tao anatin’ny kaominina Andranomiely, Antakavana, Mahavelona, dia hita fa miady irery ny zandary. Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mponina, ny lehiben’ny fokontany sy ny ben’ny Tanàna, tsy mifampatoky ny samy mpitandro filaminana. “Matetika koa raha misy fanafihana aty aminay, amin’ny fotoana tsy maha eo an-toerana ny DAS foana no mitranga izany. Zary alaim-panahy izahay hieritreritra fa ny miaramilan’ny Tafika ihany no jiolahy”, hoy izy ireo.
Tranga iray vao nisehoan’izany ny tao Mahavelona, ny alin’ny alarobia 20 marsa lasa teo. Nisy nanafika ny fianakaviana iray… Voatifitra teo amin’ny fony ny raim-pianakaviana vao 34 taona. Voatoto vodibasy ny ramatoa lehibe efa 70 taona. Ny nahavariana ny mponina, nilaza fa namita iraka, tsy tao an-tanàna ireo miaramilan’ny DAS, tokony ho mpiambina tanàna. “Toy izany foana no iainan’ny mponina aty ambanivohitra”, hoy ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mponina, nitantara amin’ny zandarimaria nampita ny vaovao.

Ny eo tsy votsotra, ny eo lasan’ny jiolahy

Raha ny tatitra farany azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia nisy olona roa tsy mbola tafaverina any amin’ny fianakaviany, izay nalaina an-keriny, tany amin’ny fiandohan’ny volana marsa tany. Nalaina tao amin’ny fokontany Bevony, kaominina Andrano­miely, izy ireo. Tsy mbola votsotra mandrak’izao. Manamafy izay rahateo ny lahateny nataon’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, nandritra ny fanakatonana ny atrikasan’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy, ny talata 19 marsa lasa teo. Fivoriambe natao teny amin’ny Cercle Mess, Soanierana.
Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mponina any an-toerana dia mitaky 70 tapitrisa Ariary amin’ny vadin’ilay lasibatra ny olon-dratsy. Hatreto tsy mbola misy mangirana ny mombamomba ity raharaha ity, na efa manao ny asany, mifanenjika sy mifampitifitra any anatin’ireo kizo aza ny olon-dratsy sy ny mpitandro filaminana. Tsy fantatra mazava na andian-jiolahin’iza na an’iza no tompon’antoka tamin’izany. Ahina anefa ny fisian’ny andian-jiolahy vaovao raha ny fitantaran’ny mponina.
“Raha ny filazan’ny havan’ny voatafika sy lasa an-keriny dia sokajin’olona tsy mpandray ravindena ireo naka ny havany. Andian-jiolahy tsy mahazatra ny any ambanivohitra. Mety ho vahiny ivelan’ny faritra no manao asa ratsy aty aminay”, hoy Randrianasolo, raiamandreny ao an-tanànan’Andranomiely. Izy rahateo no anisan’ny olona sahy nanitrikitrika fa rangory fototry ny afo amin’ny tsy fandriampahalemana ny olom-panjakana sasany.
Marihina fa anisan’ny fianakaviana lasibatra ihany koa izy ireo ny alin’ny 6 nifoha 7 janoary 2024. Maty notifirin’ny dahalo tamin’izany ny rahalahiny, izay ben’ny Tanàna.
Telo mianaka

Tsy mety voafehy ny zava-misy ao Ankazobe. Vao afakaomaly alina, tranga iray nampihorohoro ny mponina no niseho tao Manontanitsiloza, kaominina Talata Angavo. Olona telo no indray nalain’ny jiolahy an-keriny tao amin’ny fianakaviana norobaina. Lehilahy iray 34, vehivavy vao 21 taona sy 30 taona. Lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny karapanondrom-pirenen’ireo olona tao an-trano, finday miisa 7, vary 10 zinga, vilany iray, “ radio carte” sy speaker iray, bodofotsy sy “plaque solaire”, ary vola 350 000 Ariary. Miisa folo mahery ny jiolahy nanafika, izay nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny Kalachnikov sy Mass 36, niampy basimborona, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary.

Iza marina ireto jiolahy ireto?

Araka ny efa nitaterana azy tamin’ny fanadihadiana lalina, nivoaka ny 28 febroary lasa teo, misokajy maromaro ny andian-jiolahy ao Ankazobe. Mandeha irery ny andiany iray, raha maivamaivana ny asa ratsy ataony. “Mivondrona kosa ireo andian-jiolahy dimy rehefa mafimafy ny ady”, araka ny fijoroana vavolombelon’ny mponina any an-toerana nanaovana fanadihadiana.
Radobe, ity no voalaza ary ahina ho atidoha voalohany, anisan’ny lehiben’ireo jiolahy miparitaka ao anatin’ny distrika. Tsy ny fakana olona an-keriny ihany no ahafantarana azy, fa nikoizana ihany koa tamin’ny resaka halatra omby. Mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika izy. Anisan’ny mpandraharaha manana ny maha izy azy kosa anefa amin’ny famotsiam-bola satria dia manana tanimbary amina hektara voajary, tanimboly misy katsaka, mangahazo ary soja sy vary an-tanety. Manana omby aman’arivony, ankoatra ny fanodinam-bola an-tanàn-dehibe. Fialamboly tena tiany kosa ny adin’akoholahy sy ny fitaizana alika avo razana. Monina ao Ankazobe izy saingy manana toerana fivantanana sy kizo amin’ny sakeli-tanàna maro any amin’ ny kaominina Antakavana. Zanaka lahitokan’ny ray aman-dreniny.

Lemiadana, jiolahy iray ikoizana ihany koa izy ity, zanaky ny kaominina Antakavana ihany. Mipetraka ao amin’ny fokontany Antaniditra. Zaza tokana nateraky ny ray aman-dreniny. Vao kely dia maty ny reniny. Kamboty ka nampihantain’ny rainy sy ny renibeny nandritra ny fahazazany. Rehefa nanambady anefa ny rainy, dia voailikilika izy. Nampijalian’ny renikely, araka ny fitantaran’ny mpiara-monina aminy. Vao nahatsiaro saina ny tovolahy, izay efa zatra tanteraka ny kizokizo any anatin’ny vohitr’i Tampoketsa dia nirona tany amin’ny fanaovana asa ratsy. Nitady ny fomba hamerenana ny fiadanany fony zaza izy. Lehilahy efa mamoy fo ary vonona ny ho faty manoloana ny fanenjehana ataon’ny mpitandro filaminana azy. Fanambiny, araka ny loharanom-baovao isan-karazany, ny hahafaty mpitandro filaminana. Milalao basy sy bala no fialamboliny. Mitazona Kalachnikov ihany koa.

Dadah, tsy mitsitsy amin’ny mpitandro filaminana ary mahasahy mifampitifitra. Avy ao Maromandihy, kaominina Antakavana ihany koa izy no mipetraka ary mbola ao ny reniny izay nanaiky nifampiresahana. Ity farany izay milaza fa tsy jiolahy ny zanany fa voaendrikendrika fotsiny. Raha ny fanadihadiana natao, dia anisan’ny tovolahy nanana fahazazana sarotra ihany koa izy. Efa nitolo-batana tamin’ny mpitandro filaminana sy nanatitra basy Kalachnikov iray, araka ny filazan’ny loharanom-baovao. Efa nigadra taorian’izay ary vao nahavita sazy, nivoaka ny fonja, ny faran’ny taona 2023. Nikasa hiverina tamin’ny fiarahamonina, araka ny filazan-dreniny. Noho ny hetsika manokana nataon’ny zandary sy ny Dinabe ka nahafaty ny namany roa lahy, dia nisafidy ny niverina ho dahalo sy namondrona ny namany indray izy. Mbola ifampitadiavana mandrak’izao.

Safidy “mandeha ho azy”, ity no jiolahy anisan’ny mbola erotrerony ary anatin’ny lisitra maintin’ny mpitandro filaminana. Izy no ahina ho tompon’antoka voalohany tamin’ny fakana an-keriny, niseho afakomaly alina, tao Manontanitsiloza. Nandany ny fahazazany tao anatin’ny fahasahiranana sy ny fahatanorany tanaty fahasarotana. Manana namana akaiky anatin’ny mpitandro filaminana izy, raha ny filazan’ny mponina, nanontaniana. Ireny no mpamatsy fitaovam-piadiana azy ary ahina ho mpiray tsikombakomba aminy.

Lemizana, ity dia anisan’ny jiolahy tena ikoizana ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Mponina avy ao Anosikely Atsimo, kaominina Ambolotarakely, izy. Iray tamin’ireo nandoro velona olona 32 tany an-toerana, ny volana jolay 2022. Ny tantarany indray dia olona sahirana saingy nahita hirika niarahana tamin’ny olon-dratsy. Novolavolain’ny dahalo izy ary fahafinaretany ny miandry kendritohina mpitandro filaminana. Nanana fahazazana tanaty fahasarotana ary efa misotro ny aleoko ho faty ihany koa.

Nanatontosa : Riana Raymond

Partager sur: