Tranom-piantohana : ho matihanina kokoa ny Mama

Napetraka eo anivon’ny trano fiantohana Mama, ny faran’ny herinandro teo, ny delegasionina mpanara-maso avy amin’ny komity mpanara-maso «Superviseur délégué» sy ny mpiahy ny banky ary ny fitantanana ara-bola CSBF. “Tanjona ny hanatsarana sy hahatonga ity trano fiantohana ity ho matihanina kokoa eo amin’ny sehatry ny fiantohana”, hoy ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), Andrianarivelo Aivo, ny herinandro teo. Haharitra enim-bolana ny fiarahan’izy ireo miasa amin’ny Mama. Andraikitra napetraka amin’izy ireo ny fanamarihana ny toe-draharaha nisy teo anivon’ny trano fiantohana teo am-pahatongavany, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny CSBF, Ranaivoson Seheno. “Iantohan’ny trano fiantohana hatrany ny fiarovana ny mpanjifa fa ny momba ny banky na ny fikirakirana ny vola rehetra no hananganana azy io”, hoy izy.
Tsiahivina fa hampafahantarina ny rehetra ny vokatry ny fitsirihana rehefa vita izany, araka ny nolazainy hatrany.

Synèse R.

Partager sur: