Anisan’ireo niatrika ny fanamasinana ny Mgr Andrianandrainy Jeannot Martial ho eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny alahady teo. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’ny lahateniny.
«Miainga amin’ny fanovana ny toe-tsaina sy ny toe-panahy, fa tsy amin’ny asa sy ny fotodrafitrasa ihany ny tena fanavaozana», hoy izy. Nanteriny koa fa tsy mifanohitra amin’ny maha fanjakana laika an’i Madagasikara ny vavaka ho an’ny firenena. Tsy midika fandrarana ny fiaraha-mivavaka ho an’ny firenena ny “laïcité de l’État”, araka ny nambarany. «Fotoana ilan’i Madagasikara ny firaisankina sy ny vavaka avy amin’ny fiangonana rehetra izao fisian’ny toe-javatra hafahafa eto amin’ny firenena izao», hoy hatrany izy.
Nambarany fa ilaina ny manohy mivavaka ho an’ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Niantso sy nanentana ny kristianina rehetra tsy ankanavaka hivavaka ho an’ireo mpitondra ny filoham-panjakana mba hahazo fahendrena sy hitarika ny firenena araka ny tokony ho izy ireo rehetra nomena andraikitra.
Tsiahivina fa eveka mpanampy vaovao notendren’ny Papa Léon XIV ny Mgr Andrianandrainy Jeannot Martial. Hiara-miasa sy hanampy ny eveka, ny Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien amin’ny fitantanana ny diosezin’i Morondava, ny tenany manomboka izao. Telo taona taorian’ny fanamasinana eveka Mpanampy farany tao amin’ity diosezy ity no nanatanterahina izao fanamasinana izao indray. Voatendrin’ny any amin’ny fiketrahana Masina ho arseveka mpanampy ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa ny eveka mpanampy teo aloha, ny Mgr Rakotojaona Jean Nicolas.
Synèse R.




