Mois : mars 2024

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina, omaly, teny Ampefiloha, ny fampianarana fanatanjahantena ho an’ny mpianatra an-tsekoly, nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Taranja efatra no nampianarina an’ireo mpianatra, nahitana ny Teqbal, badminton, escrime ary baolina lavalava an-tsekoly. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 9 Marsa izao, ny andiany faha-10 amin’ny fifaninanana Smatchin, taranja basikety. Efa […]

Kitra : lasa mpanazatran’ ny CFFA i Hery Be

Nanomboka ny zoma 1 marsa lasa teo, Rabeharisoa Herimanitra (Hery Be) indray no mpanazatran’ ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy. Nandimby an’i Titi Rasoanaivo indray izany ny lehilahy ao anatin’izao fiatrehana ny fifaninanam-pirenena “Pureplay football league (PFL 2024)” izao. Noho ny vokatra ratsy azon’ity ekipan’Andoharanofotsy ity tao anatin’ny andro telo efa tontosa […]

Ping Pong- Lalao Afrikanina : nahazo fandresena roa ny lehilahy malagasy

Niditra an-tsehatra, omaly, ny Malagasy eo amin’ny isan-tarika, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra amin’ny lalao Afrikanina any Ghana. Nahazo fandresena roa ny sokajy lehilahy Tsara ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, ao anatin’ny andiany faha-13 ny lalao Afrikanina, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, sokajy lehilahy isan-tarika. Nanao pao-droa […]

BNGRC : drafitrasa fiatrehana ny loza voanajahary

Miara-miasa amin’ny go­ver­nemanta malagasy amin’ny alalan’ny Birao nasionaly mitantana ny loza voajanahary (BNGRC), ny Rafitry ny firenena Mikambana (SNU), tohanan’ny Fiaraha-miasa alemà (GIZ). Tanjona ny hamolavolana drafitrasa, mifototra amin’ny tondro mahakasika ny fitantanana ny fiatrehana ny loza voajanahary (INFORM), araka ny fenitra iraisam-pirenena. Atao eto Antananarivo, mandritra ny roa andro, […]

F3LTM : antontam-baovao hikojakojana ny lalana

Nitohy, omaly, ny fifanakalozana traikefa ao anivon’ny Vaomiera iombonana mandrindra ny asa (CCC) ao anatin’ny tetikasa ho fampandrosoana ny fitantanana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana (F3LTM). Manohana ara-bola sy ara-teknika ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) amin’ny fanatanterahana azy ny Fiaraha-miasa japoney (Jica). Nilaza ny Sekretera jeneraly (SG) ny […]