Natolotra ny fampanoavana, omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray mpanao trafikana zava-mahadomelina. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy teny Talatamaty, ka nentin’ny polisy avy hatrany. Nahatrarana rongony 40 fonosana tao an-tranony nandritra ny fisavana. Mahalafo rongony 30 000Ar isan’andro izy, raha ny filazany tamin’ny polisy. Nidoboka am-ponja vonjimaika […]
Mois : mars 2024
Minisitry ny Foloalindahy: « Tsy maintsy tratrarina ny tanjona napetraka”
Nahitsy ny hafatra nomen’ ny minisitry ny Foloalindahy (MFA) Sahivelo Monja Lala Delphin amin’ireo miaramila eo ambany fifehezany, nandritra ny lanonana roa sosona notanterahina teny Ivato. Teo ny nandraisan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety vaovao ny fibaikoana, ny Jly Rakotoson Jocelyn sy ny famindram-pibaikoana teo amin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, […]
Fifandonana nahery vaika: Zandary iray namoy ny ainy
Zandary iray namoy ny ainy vokatry ny fifampitifirana tamin’ny dahalo, tao amin’ny tanànan’i Vohasina, fokontany Ambalamontana, kaominina Amborompotsy, distrikan’Ambatofinandrahana, ny marain’ny talata 19 marsa teo. Dahalo 50 lahy nitam-piadiana nanafika tao amin’io tanàna io. Nifanome-tanana ny fokonolona sy ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra Amboropotsy nisambotra ireo mpandroba. Nanapoaka basy avy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny 29 marsa ho avy izao ny fihodinana faharoa savaranonando amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2024”. Lalao 16 no hatao amin’io andro io. Anisan’ireo faritra handray lalao amin’izany ny any Ambanja, Ambilobe, Ambositra, Antalaha, Antananarivo, Fenerive-Est, Ihosy, Imerintsiatosika, Manakara ary Mahajanga. Hotanterahina eto Antananarivo, ny 24 – […]
“Motor show 2024”: hanangonam-bola hitsaboana ankizy marary
Hotanterahina etsy amin’ny tokotany malalaky ny kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 30 sy ny alahady 31 marsa ho avy izao, ny “Motor show 2024”. Hetsika karakarain’ireo mpankafy ny taranja mekanika. Nambaran’i Tojo Ranaivo, anisan’ireo mpikarakara, tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina, afakomaly, fa hanangonam-bola hitsaboana ny ankizy tena marary eny amin’ny […]




