Nandriaka ny ra. Maty teo no ho eo ny lehilahy iray nitondra moto scooter teny amin’ny Rocade Iarivo, omaly hariva tamin’ny 7 ora sy sasany. Tsy nahafehy familiana ka matin’ny lozam-pifamoivoizana io mpitondra moto scooter io. Tra-doza teo amin’ny lalana tsy lavitra ny Rond-point Nanisana izy. Nandeha mafy io mpitondra moto io, araka ny nambaran’ny manodidina. Nisosa tamin’ny arabe ny kodiaran-droa nentiny ka nifatratra tamin’ny sisin’arabe. Lavo tamin’ny tany ilay lehilahy. Voadona mafy ny lohany ka vaky ra. Tsy tana ny ainy ka maty teo no ho eo. Niendaka tanteraka ny fitoeran-jiron’ilay moto. Tsiahivina, lehilahy iray hafa koa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fitondrana moto teny Fasanikarana, ny alakamisy 4 avrily teo. Nitondra jog mainty, nandeha mafy koa io lehilahy io ka nianjera tampoka. Maty tsy tra-drano izy. Tsy fitandremana hatrany no voalaza ho niteraka ny loza. Nanamafy ny mpitandro filaminana misahana ny fifamoivoizana fa ilaina hatrany ny manaja ny toromarika rehetra sy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Tsiferana R.