Fifandonana mahery vaika : dahalo telo lavo, omby 50 tafaverina

Nirefodrefotra ny basy! Dahalo telo maty ary telo naratra vokatry ny fifandonana mahery vaika tao amin’ny kaominina Mahabe, distrikan’i Besalampy, afakomaly. Nana­fika tao amin’ny fokontany Andabozato ny dahalo 40 lahy nitam-piadiana. Norobain’izy ireo ny omby 50 ka nentiny nandositra. Nanara-dia nanao izay ho afany nanenjika ireo mpandroba ny fokonolona sy ny zandary miasa any an-toerana. Nitondra basim-borona, nanohitra tamin’ny alalan’ny tifitra ireo dahalo. Tetsy ankilany, niambina ny kizo tao Atsimon’i Betapia ny mpitandro filaminana. Nifanehatra tamin’ireo dahalo. Raikitra ny fifampitifirana. Vokany maty teo no ho eo ny telo tamin’ireo mpandroba. Dahalo telo hafa koa naratra voatifitra. Nivoa-dra, nentin’ny namany nandositra ireo telo naratra ireo. Navelany kosa ireo telo lavo. Latsaka teny am-pelatanan’
ireo olon-dratsy avokoa ny omby rehetra nangalariny. Manohy ny hazalambo hanatrarana ireo dahalo ny mpitandro filaminana. Naverina amin’ ny tompony ireo omby. Tsy nisy aina nafoy ny avy amin’ny fokonolona nanara-dia. Nane­ho ny fahavononany hatrany hisehatra amin’ny tagnama­ron’ny fandriampahalemana ny fokonolona ao Besalampy.

Tsiferana R.

Partager sur: