Fanafihan-jiolahy: mpianaka lasan’ ny mpaka an-keriny

Nentin’ny jiolahy nitam-piadiana ny vehivavy sy zaza manodidina ny 12 taona tao amin’ny fokontany Ampasimandroro, kaominina Maintirano, faritra Melaky, ny alin’ny talata 09 avrily teo tamin’ny 11 ora sy sasany. Jiolahy manodidina ny folo lahy no niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tao tapon-tanàna. Nitondra zava-maranitra toy ny antsy, nanambana ny tompon-trano ireo olon-dratsy ireo. Nitady ny renim-pianakaviana iray fantatra amin’ny anarana hoe “Natacha” tao amin’io trano io ireto farany. Nodarohan’ny telo lahy ilay ramatoa, norobainy ny vola sy ny telefaonina. “Tsy fantatra hatreto ny vola voaroban’ireo jiolahy tamin’io fotoana io”, hoy ny fanazavan’ny zandary miasa ao an-toearana. Namaly ny mpandroba ilay ramatoa nokarohan’izy ireo. Tafandositra izy saingy voa mafy teo amin’ny lohany. Tetsy ankilany, nentin’ireo tsy valahara nanaraka azy ireo ny vehivavy sy zazakely nataony takalonaina. Nanao tari-dositra taorian’izay ireo mpandroba. Manao ny fikarohana ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: