Fifandonana tamin’ny mpaka an-keriny : miaramila roa naratra, dahalo roa maty

Nifanehatra tamin’ny zandary indray ny andian-dahalo tao Ankazobe, afakomaly. Miaramila roa naratra ary dahalo roa kosa no maty.

Dahalo 20 lahy eo ho eo notarihin’i Leba sy i Sa­fi­dy no nifandona tamin’ ny zandary tao amin’ny fokontany Antaniditra kaominina Antakavana distrikan’Anka­zo­be, afakomaly maraina. Fantatra fa isan’ireo dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny ao Ankazobe ireto nifanehatra tamin’ny zandary ireto. Raha ny tatitra nampita­in’ny zandary, nitondra basy mahery vaika toy ny Ka­lach­nikov sy Mas 36 ireto malaso ireto. Niainga vao maraina ny zandary mpampandry tany nitondra an’i Bezesta sy Dauphin, dahalo gagilahy amin’ny halatra omby sy fakana an-keriny. Dahalo nokarohina hatry ny ela satria isan’ ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana ny ben’ny Tanànan’ Antakavana sy Andranomiely ry zalahy ireto, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary. Teo am-pitondrana azy ireo hanoro ny toerana misy ireo namany ny zandary no nifanena tamin’ireo andian-dahalo efa niambina ny lalana handalovan’ireo zandary.

Voatifitry ny namany…
Nisy ny fifandonana satria nanararaotra nandositra ireo dahalo voasambotra. Voatifitr’ ireo namany tao anaty fifandonana teny am-pitsoahana izy roa lahy. Naharitra teo amin’ny adiny iray teo ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ny da­halo. Nisy dahalo voatifitra iha­ny koa tamin’io fotoana io fa nentin’ireo namany nitsoaka.
Andian-dahalo hafa ihany koa no nifampitifitra tamin’ny zandary tao amin’ny alan’Am­bohitantely distrikan’Anka­zo­be ihany, afakomaly. Dahalo iray tarika amin’i Bezesta sy Leba ihany ireo nifandona tamin’ny zandary ireto. Ala mikitroka ity nisian’ny fifandonana ity satria dahalo maromaro koa no voalaza fa voatifitra saingy lasan’ ireo namany, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary any an-toerana.

J.C

Partager sur: