Telo andro nisesy : zaza telo matin’ny lozam-pifamoivoizana

Nanao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain-jaza tao anatin’ny telo andro. Zaza iray enin-taona maty tsy tra-drano, omaly.

Zazavavy kely enin-taona maty voafaokan’ny taksiborosy tao Ambalafary, RN32, 10 km avaratra andrefan’i Mandritsara, omaly ma­raina. “Nandeha tamin’ny toerana misy tsena ka niampita tampoka ilay zaza”, hoy ny loharanom-boavao any an-toerana. Tamin’io fotoana io, nandalo ny fiara taksiborosy manao zotra rejionaly mampitohy an’i Mandritsara sy ny tanànan’i Farara. “Nandeha mafy ilay fiara ka voafaoka tsy nahy ilay zaza”, araka ny fanamafisan’ny loharanom-baovao. Maty tsy tra-drano ilay zazavavy kely. Tsy afa-nialana nenina intsony. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandihadiana ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Nosamborina ny mpamily ilay taksiborosy. Nai­ditra am-balam-pamonjana ny fiara.

Roa hafa
Zazalahy iray maty tsy tra-drano nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Antsirabe, afakomaly. Nentin’ny rainy ta­min’ny moto io zazalahy io sy ny anabaviny. Tafasitrika tampoka tany ambany kamiao anefa ny moto. Nipitika ireo zaza roa. Namoy ny ainy ilay zazalahy. Ankoatra ireo, zazavavy iray avy nianatra teny amin’ny EPP hamonjy fodiana, voadonan’ny taksiborosy tao amin’ny fokontany Besi­sika Borizany, faritra Sofia, tamin’ny talata io ihany. Nen­tin’ireo nanatri-maso namonjy toeram-pitsaboana izy saingy tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Mari­hina, fandehana mafy sy tsy fitandreman’ny mpamily avokoa no niteraka ireo lozam-pifamoivoizana namoizana zaza telo ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: