TSELATRA

Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay jiolahy tomponantoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny tao Maintirano, afakomaly. Nanao ny fanarahan-dia taorian’ny fanafihana nataon’ireo olon-dratsy tao Ampasimandroro, ny
9 avrily teo, ny polisy. Avotra ireo mpianaka nalain’ny jiolahy an-keriny saingy naolan’ireo tsy mataho-tody ny iray. Atolotra ny fampanoavana io jiolahy iray tratra io.

Jiolahy mpanakan-dalana maty voatifitry ny zandary tao Betanatanana, distrikan’i Maintirano, ny talata 9 avrily teo. Nangalatra finday io dahalo io sy ny namany ka nifanenjehan’ny mpitandro filaminana. Voamarin’ny fokonolona fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana nahafatesana renim-pianaka­viana iray tao an-toerana, ny 20 oktobra 2023 lasa teo, izy io.

Moto iray nodomin’ny fiara avy aoriana tetsy Antanimena, omaly hariva. Nijanona niandry ny fahataperan’ireo olona niampita ilay moto. Voa­donan’ilay fiara avy any aoriana ka nianjera tamin’ny tany. Tsy nisy aina nafoy.

Vehivavy iray namoy ny ainy nodarohan’ny mpanendaka tao Tanamalandy Mahajanga, afakomaly hariva, tamin’ny 7 ora. Narahin’ny olon-dratsy tamin’ny mangingina izy ka nanamparan’izy ireo ny asa ratsiny.

Partager sur: