Vehivavy voaroba: mirongatra ny fanendahana any anaty taxi-be

Mirongatra indray, tato ho ato, ny fanendahana anaty taxi-be ataon’ny jiolahy. Renim-pianakaviana iray very vola 6 hetsy Ar tao anaty poketra teny Ampasampito, omaly atoandro. Mody mitankisina sy miresaka amin’ny finday ireo olon-dratsy…

Horakoraka, ranomaso…io sisa no azon’ny renim-pianakaviana iray natao vokatry ny asan-jiolahy tao anatina taxi-be iray teny Ampasampito, omaly atoandro. Avy niasa ka handeha hamonjy fodiana any Ambatomaro izy no nifanehatra tamin’ireo jiolahy efa tao anaty taxi-be, raha ny fanazavany. Nipetraka tao amin’ny seza farany aoriana ny jiolahy iray raha nifanila taminy kosa ilay namany. Teo Betongolo no niditra ity renim-pianakaviana ity ka niteny ilay jiolahy fa malalaka eo akaikiny raha hipetraka izy. Tsy nihambahamba tokoa ilay niharam-boina fa nipetraka. Na­nomboka niakatra ny lalana hihazo an’Ampasampito no nanomboka hafahafa fihetsika ilay jiolahy, raha ny fitantarany. Mody mitakisikisina izy sady manakona tanana amin’ny kitapony. Tsy vitan’izay fa mody mifampiresaka amin’olona amin’ny finday ihany koa. Mandritra izany koa ilay namany iray mifanila seza aminy manao fihetsiketsehana be mifampiresaka amin’ny finday.
Nifindra taxi-be iray hafa indray…
Nony tonga teo amin’ny fiantsonana «23 Ampasam­pito» nisy mpandeha niala. Nitsangana ilay jiolahy iray, mody niresaka tamin’olona iray hafa teny ivelan’ny fiara sady nanakona io namany io sy ilay renim-pianakaviana. Nandritra izany kosa ny namany manery sy manakona ny poketrany amin’ny kitapony. Tsy henon’ilay renim-pianakaviana mihitsy ny nakan-dry zalahy ny fitoeram-bola nisy vola 6 hetsy Ar tao anaty poketrany. Efa teo amin’ny fiantsonana Ampasampito vao tonga saina izy. Niala nifindra tamina taxi-be iray hihazo an’Ambohimangakely indray ry zalahy taorian’izay. Fan­tatry ny resevera tsara ireo mpanendaka sady mandoa saran-dalana mihitsy ry zalahy. Nilaza ho matahotra valifaty anefa izy ireny ka tsy sahy nihetsika fa nijery fotsiny ny nataon’ireo jiolahy tao anaty fiara. Malaza ratsy amin’iny faritra Ampasimpito iny ry zalahy mpanendaka ireto.

J.C

Partager sur: