Nokendaina sy feno dian-drangotra : renim-pianakaviana hita faty tao an-tranony

Tsy nisy namantarana azy! Potika ny tarehin’ny renim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony, ao Andrefan’ny abatoara, fokontany Mahitsy, afakomaly. Nokendaina sady feno dian-drangotra…

Renim-pianakaviana iray 59 taona no novonoin’olon-tsy fantatra tao an-tranony ao Andrefan’ny abatoara, fokontany sy kaominina Mahitsy, distrikan’ Ambohidra­trimo, afakomaly. Tonga nampilaza tao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Mahitsy ny andrimasom-pokonolona momba ny fisian’ity vehivavy niharam-boina ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary, efa tsy hita tao an-tranony intsony ilay vehivavy niharam-boina fa nentin’ny fo­konolona sy ny fianakaviany namonjy hopitaly. Vao tonga tao amin’ny hopitaly anefa izy dia namoy ny ainy. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny dokotera niaraka tamin’ny zandary no nahitana fa maratra be ity renim-pianakaviana ity. Misy ratra misokatra lalina eo amin’ny ila handriny havia, nahitana dian-tanana nanakenda sy dian-drangotra teo amin’ny tendany sy ny vozony. Mangana be ny fihirifany havanana.

Ahiahina ny zana-drahavaviny…
Radio feno ra (ahina ho isan’ny fitaovana nikapohana azy) tao an-trano, ny solonifiny hita nihintsana tamin’ny tany. Voalazan’ny kaomandin’ny tobim-paritra Mahitsy anefa fa tsy nisy vaky ny varavarana tao amin’io trano natoriany io. « Efa-mianaka izy ireo no iray trano, mipetraka amina efitra kely sady feno entana », hoy ny zandary. Io vehivavy niharam-boina io sy ny zana-drahavaviny roa sy mpanampy azy, araka izany, no miara-mipetraka. Nivahiny tao izy ireo tamin’io alina io. « Ahina ho nampiditra olona nahavanon-doza ireto olona ireto satria niara-natory taminy tao », araka ny fanazavan’ny zandary. Ahina ho tompon’antoka amin’izao vonoan’olona izao, araka izany, ny rahavavin’ity renim-pianakaviana ity. Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny anton’izao vonoan’ olona feno habibiana izao. Ny famotoran’ny zandary no ahafantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity.

Jean Claude

Partager sur: