Nianjera tampoka: Zaza 3 taona, maty tao an-davadrano

Zazalahy 3 taona latsaka tsy nahy tao an-davadrano efa tsy niasa intsony, tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Niezaka nanavotra azy ny havany saingy tsy tana ny ainy.

Zazalahy telo taona, antsoina hoe Alvino, namoy ny ainy nianjera tao an-davadrano, tao amin’ny fokontany Andrefanigara, kaominina Tsiroanomandidy, ny 18 avri­ly teo tamin’ny 11 ora maraina. Niara-nilalao toy ny mahazatra niaraka tamin’ireo zaza namany izy, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Nanamorona ny lavadrano izay efa navadika ho fanariam-pako izy ireo. Tsy nisy nahatsikaritra, nilatsaka tampoka tao anatin’io lavaka io ilay zazalahy. Sempotry ny entona maloto tao anaty lavaka izy. Nikoropaka namonjy azy ny manodidina minitra vitsy taorian’ny loza. Nakarina an-tanety io zaza io ka nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Nifanome tanana ny mpitsabo sy ny zandary, niampy ny fianakaviany kinanjo tsy tana intsony ny ain’ilay zaza.

Nototorana
Nataon’ny mponina fanariam-pako io lavadrano efa tsy niasa intsony io saingy mbola lalina. Tsy nisarona intsony rahateo ny toerana ka antony nahatonga izao loza izao. Nidina ifotony tamin’ny toerana nitrangan’ny loza ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Tsiroano­man­didy. Nototofana ilay lavaka nitera-doza hisorohana ny fiverenan’izany. Natao teo am­bany fanaraha-mason’ny sefo fokontany ao Andrefanigara izany. Manao ny fanadihadiana momba ity tranga ity ny polisim-pirenena ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: