Seho fifanakalozana : hiaka-tsehatra ny Jazz Club CGM

Rahampitso 21 avrily, alahady fahatelo amin’ity volana ity. Efa zary mahazatra ny Jazz Club CGM sy ny mpitia jazz ny mihaona ao amin’ny efitrano malalaky ny CGM/GZ Analakely. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana eny an-tsehatra. Ivondronan’ireo mpilalao jazz efa zoky sy ny tanora ary ny ankizy taninketsa ny Jazz Club CGM. Izy ireo no haneho ny fahaiza-mifehy ny jazz…
Marihina fa ataon’ity sehatra ivondronan’ny mpilalao jazz eo anivon’ny CGM/GZ ity ho zava-dehibe hatrany ny fifanakalozana amin’ny hafa. Notazonin’izy ireo amin’ny alalan’ny atrikasa sy ny fihaonana tahaka izao izany. Avy amin’ireny no hifohazana na hipoiran’ireo talenta vao, eo amin’ny tontolon’ny jazz.
Raha ny fantatra, anisan’ny namoaka mpilalao jazz (mpihira, mpitendry zavamaneno…), anisan’ny « matanjaka » ny Jazz Club CGM. Afaka mivelatra amina sehatra maro rahateo izy ireo, toy ny Jazz@Tohatohabato, Jazz Fiderana, sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: