Nandrasan’ny dahalo kendritohina : miaramila maty voatifitra

Vao nivoaka ny trano fatoriany, miaramilan’ny Tafika iray lavon’ny balan’ny dahalo tao amin’ny kaominina Bemaha­tazana Tsiroanomandidy, ny 18 avrily teo. Norobain’ireo olon-dratsy ny bala.

Nirefodrefotra ny basy! Maty voatifitry ny da­halo teo amin’ny ki­bony ny miaramila iray niasa tao Ampandrana, fokontany Ambatofotsy Tsena, kaomi­nina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 18 avrily teo. Naharay antso ta­min’ny sefo fokontany ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Bemahata­zana fa migadona ao amin’io ta­nàna io ireo dahalo mitam-piadiana, tamin’ny 11 ora alina. Nalain’ ireo olon-dratsy avokoa ny omby ary nanapoaka basy izy ireo. Nahare io feo nirefotra io, nivoaka ny trano fatoriany ny miaramila iray. Notifirin’ireo tsy valahara teo amin’ny kibony ity farany. Nan­driaka ny ra. Ni­tolefika tamin’ ny tany io miaramila io ka lavo.

Voaroba ny bala

Nohararaotin’ireo dahalo norobaina tamin’ny fotoana nahalavo io miaramila io ny bala rehetra tamin’ny basy nampiasainy. Lasan’izy ireo avokoa ny boaty famahanana na “Boites chargeurs» miisa telo. Nijery ifotony ny zava-nisy tao an-toerana, tamin’io andro io ihany, ny zandary sy ny tafika miasa ao Bemahata­zana. Ny marain’ny 19 avrily tamin’ny 5 ora maraina kosa vao hita ny basy nampiasain’io miaramila lavo io. Basy AKM io nampiasainy io ary teny amin’ny 30 metatra niala ny toerana nahafatesany no narian’ireo dahalo. 45 taona ity miaramila an’ny tafika maty voatifitra ity ary miasa eo anivon’ny BIT Andranomadio, Tsiroanomandidy. Misahana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ny zandarimaria ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: