Ambohidratrimo : Sinoa hita faty teo am-pandriana

Hita faty tao an’efitrano fatoriany, ao amin’ny orinasa iray eny Antanety, fokontany Amboa­sary, kaominina ambanivohitr’ Iarinarivo, distrikan’Ambohi­dra­trimo, omaly, ny teratany sinoa iray 39 taona. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo, nahazo fampitam-baovao momba ny fisian’io teratany sinoa hita faty io ny zandary, omaly ta­min’ny 7 ora sy 30 mn. «Miasa ao amina orinasa iray eny Ambohidratrimo io teratany sinoa io. Tamin’ny fotoana nahatongavanay teny an-toerana, mbola teo ambony fandriana nahitana azy ny razana», hoy ny fanazavan’ny zandary. Tonga nanao fitsirihana niaraka tamin’ny zandary ny dokotera. Tao anatin’izany fitsirihana izany no nahitana fa mihohoka eo ambony fandriana efa tsy misy aina intsony ity sinoa ity. Nojerena ny vatany manodidina fa tsy na­hitana ratra na dian-kapoka na zavatra mety mampiahiahy.
Nijanona tampoka ny fony…
Nambaran’ireo mpitsabo nanao fitsirihana ny razana fa ahina ho fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty azy. Tao­rian’ny fikarakarana rehe­tra, napetraka ao amin’ny hopitaly CHU Anosiala Am­bohidratrimo ny razana miandry ny fianakaviany avy any Chine. Na eo aza anefa izany, mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary miaraka amin’ny mpitsabo hamantarana marina ny mety nahafaty azy. Ny valin’ny fanadihadiana, araka izany, no hamaritra ny marina rehetra momba ity raharaha ity.

J.C

Partager sur: