Efa indroa nigadra : tratra ilay nisandoka ho kaomandà

Tsy mety fay mihitsy! Vao afakomaly no nisy ilay lehilahy nisandoka ho kaomisera, nipoitra ihany koa ity lehilahy nisandoka ho manamboninahitra mitondra ny galona kaomandà miasa ao amin’ny Capsat ity. Efa indroa nigadra tao amin’ny fonjan’Antanimora izy noho io fisolokiany io. Ny 19 avrily 2024 lasa teo, nahazo angom-baovao ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza momba ny fisian’ity lehilahy misandoka ho manamboninahitra ity mo­nina eny Ambohiboahangy, kaominina Ambohimalaza. Voamarina tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary fa tena mpisandoka tokoa izy. Tratra tao an-tranony ny fitaovana entiny manao ny asa ratsiny toy ny: galona kaomandà an’ny Tafika, sariny manao fanamiana misalotra ny galona kaomandà, fanamiana fitondra manao fanatanjahantena an’ny Tafika.

Efa voaroaka izy…
Nohamafisin’ny kaoman­din’ny tobim-paritra Ambohi­ma­laza fa ankoatra ny fisandohana asa sy andraikitra, atao fanadihadiana noho ny raharaha fisolokiana koa ity kaomandà sandoka ity. Vehi­vavy iray voasolokiny vola 4 tapitrisa Ar. Nofitahiny fa manana vary milanja 5 taonina izy amidiny, alainy ao amin’ny toby miaramila Ampa­hibe. Nanjavona tampoka anefa izy rehefa azony ny vola. Mpivarotra kojakojana moto eny Andrefan’Ambohi­ja­na­hary koa no efa nosolokiany. Nilaza tamin’ilay mpivarotra izy fa manamboninahitra ambony miasa ao amin’ny Capsat. Olona roa hafa koa efa nahazoany volabe ka nofitahiny tamina resaka fama­tsiam-bary. Ny famotoran’ny zandary no nahafantarana fa Tafika tokoa izy taloha saingy voaroaka tamin’ny taona 2017. Efa nigadra tao amin’ny fonjan’Antsirabe ny taona 2019. Nigadra fanindroany tao amin’ny fonjan’Antanimora ihany koa izy taorian’izay.

J.C

Partager sur: