Ihosy : vehivavy nangalatra finday voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray nangalatra tao amin’ny fokontany Tanambao, kaominina Ihosy, ny 20 avrily teo. Nana­kaiky ny mpivarotra kojakoja tao an-toerana, nanao toy ireny mpividy ireny io ramatoa io. Nanontany ny vidin’ny kojakoja izy. Nandrasany ho variandriana ny mpivarotra ka norobainy ny finday vaovao miisa valo. Nentiny nandositra niaraka tamin’izany ny kojakoja mifandraika amin’ireo telefaonina ireo toy ny vatoaratra niisa 23 sy « chargeurs ». Tsikaritry ny tompon-tsena anefa ny fahabangan’ny entana. Nifanenjehan’ny manodidina ilay ramatoa. Tsy lavitra teo, nanampy ireo olona tamin’ny fisamborana azy ny polisy. Vokany, voasambotra io ra­matoa nangalatra io. No­sa­vaina izy ka tratra teny aminy avokoa ireo entana rehetra. Naverina tamin’ny tompony avy hatrany ireo entana voaroba. Nentina natao famotorana ary natolotra ny fampanoavana ilay ramatoa.

Tsiferana R.

Partager sur: