Tetikasa Kanto manabe : maneho ny asa tanany ireo mpianatry ny sekolim-panjakana

Maro ny manana talenta sy fahaiza-manao eny anivon’ireny sekoly ireny, saingy tsy misy ny sehatra ahafahan’izy ireo maneho izany. Ny mpiangaly sy mpankafy sary aloha no nahazo sehatra mandritra ity tetikasa Kanto manabe ity. Mbola hiitatra kosa ny tetikasa, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.

Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Ana­la­kely, hatramin’ny 4 mey 2024, ny fampirantiana asa tanana, karakarain’ny « Projet Art Education- Teti­kasa Kanto manabe ». Ny asa tanan’ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny liseam-panjakana no miranty eny an-toerana mandritra ireo fotoana ireo, izay anasana ny rehetra ary maimaimpoana ny fitsidihana azy. « Ny fiainan’ny Malagasy: ny lasa, ny ankehitriny, ny ho avy » io no lohahevitry ny fampirantiana. Mifototra amin’io lohahevitra io avokoa, araka izany, ny hetsika rehetra mandritra izany, indrindra ny sary sy ny haikanto miranty. Tanjo­na ny hanitarana ny kanto ho eny amin’ny liseam-panjakana, amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-javakanto, ahafahan’ny mpianatra maneho ny talentany ka mampiranty ny sanganasany amin’ny besinimaro.
Miditra amin’ny andiany fa­haroa ny hetsika ankehitriny ary vinan’ny mpikarakara ny hi­tondra zava-baovao sy ha­na­tsara hatrany ny Kanto manabe. Fikambanana mpi­angaly sy mpankafy sary, avy amina lisea fito, eto Antanana­rivo, no mandray anjara amin’ ny ranty. Ahi­tana ny avy ao amin’ny lisea isany: Andohalo, Jules Ferry, Nanisana, LTPGCM, LMA, Ana­­lamahitsy ary JJR Anala­kely. Ankoatra ny fampirantiana, hisy koa ny atrikasa sy valandresaka. Resahina mandritra izany ny lanjan’ny zavakanto anaty fanabeazana. Vali­soa, mpanoratra sy mpanao boky misy sary ho an’ny ankizy, no hitondra ny heviny mahakasika izay lohahevitra izay. Eo ihany koa ny iarahana amin-dRaparivo Tiana, hiresahana ny anjara andraikitry ny indostrian-javakanto, manoloana ny fampandrosoana ara-toekarena, indrindra ho an’ny tanora. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny atrikasa fanaovana sary hosodoko, sary sokitra ary tafatafa sy fifampizarana amin’ireo mpampiranty.

Lin

Partager sur: