Anosizato: jiolahy nitam-basy lavon’ny zandary

Jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana lavon’ny mpitandro filaminana tao Anosizato, ny alin’ny alatsinainy 22 avrily teo. Nahatrarana basy vita gasy teny aminy.

Jiolahy saika hanao fanafihana mitam-piadiana la­von’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fe­noa­rivo tao Anosizato, afakomaly alina, tamin’ny 10 ora. Naha­ray loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Anosi­zato fa ahina handalo eny amin’ny manodidina ny jiolahy mpanao fanafihana io alatsinainy 22 avrily io. Nanao fisavana ireo nampiahiahy avy hatrany ny mpitandro filaminana. Naneho fihetsika hafahafa anefa ireo roa lahy rehefa nifanojo tamin’ny mpanao fisafoana. Nanao tari-dositra izy roa lahy. Nampitandrina mba hijanonan’izy ireo ny zandary kinanjo namoaka basy tany anaty kitapo  ny jiolahy iray. Vaky nitifitra nanao ny fiarovan-tena ny zandary. Vokany, lavo ny jiolahy iray.  Tratra teny aminy ny basy lava  vita tanana miisa roa. Nahatrarana antsy lava iray koa tao anaty kitapony.

Tafaporitsaka
Tafaporitsaka tamin’ny fanenjehan’ny mpitandro filaminana azy ny naman’io jiolahy lavo io. Nanararaotra ny andro maizina izy ka vaky nandositra. Manohy ny fikarohana io olon-dratsy io ny zandary. Nentina nihazo ny tranom-paty HJRA ilay namoy ny ainy. Tsiahivina, toerana malaza ratsy amin’ny fisiana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana eny amin’ny manodidina an’Anosizato. Nankasitraka manokana ny zandarimaria noho izao fahatraran-jiolahy izao ireo mponina eny an-toerana. Manentana ny fokonolona hampandre ara-potoana azy ireo hatrany kosa ny zandarimaria ahafahana misambotra ireo olon-dratsy.

Tsiferana R.

Partager sur: