Toamasina : jiolahy roa indray maty voatifitry ny polisy

Nanakoako ny basy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy, tao amin’ny fokontany Ambo­lomadinika, Mangarivotra ha­trany Morarano sy Ambala­ki­soa, afakomaly alina. Vokany, jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy. Jiolahy iray hafa kosa azo sambo-belona. Noma­ri­hin’ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy fa monina ao Ambolomadinika, Toamasina, ity jiolahy tratra ity. Miasa eo anivon’ny orinasa tsy miankina misahana fiambenana. Nahazo antso ny polisy fa misy andian-jiolahy manendaka eo amin’ny kianja fanaovana basikety ao Mangarivotra, tamin’io fotoana io. Tsy niandry ela ny polisy fa nidina haingana teny an-toerana. Nifanome tanana tamin’ny polisy rahateo ny fokonolona. Voamarina tokoa ny fisian’ireo mpanendaka teo amin’io toerana io. Raim-pianakaviana iray nendahin’ireo jiolahy. Tsy nanaiky lembenana anefa izy fa niezaka nanohitra ireo olon-dratsy ka naratra teo amin’ny tanany sy ny kibony. Lasan’ ireo mpanendaka ny finday sy poketra nisy vola. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tsy naharesy tosika anefa ireo olon-dratsy ka lavo tao anaty fifandonana ny jiolahy roa. Mbola hita teny ampelatanan’ireo jiolahy ny finday sy ilay poketra an’ilay raim-pianakaviana nendahin’izy ireo.

Sajo/J.C

Partager sur: