Valo lahy nanafika: vola 6 hetsy sy ordinatera voaroba

Norobain’ny jiolahy valo lahy ny tokantrano iray tao Andohony, fokontany Antsahabe sy kaominina ambanivohitra Bongatsara, ny alin’ny alatsinainy 22 avrily teo. Nosokirin’ireo olon-dratsy ny varavaram-by tao ambony rihana saingy tsy voasokany.  Nambanany basy avy eo amin’ny varavarankely ireo tompon-trano ka voatery namoha ny varavarana. Tafiditra tao an-trano izy valo lahy izay nitondra basy ny iray ary antsy lavalela. Noteran’ireo olon-dratsy hamoaka ny vola rehetra tao aminy ny lasibatra. Nangonin’ireo tsy valahara koa ny entana sarobidy toy ny solosaina sy finday raitra roa, niampy firavaka sarobidy. Niezaka hitondra entana hafa ireo jiolahy kanefa niara-nientana ny fokonolona manodidina ka nanao tari-dositra ireo mpandroba. Nidina ifotony ny zandary nijery ny zava-nisy. Karohina ireo olon-dratsy nanomboka tamin’io alatsinainy alina io fa mbola tsy nahitam-bokany. Marihina fa tsy nisy naratra tamin’ireo fianakaviana voaroba.

Tsiferana R.

Partager sur: