Barikadimy – Toamasina : mpianatry ny oniversite tratra nivarotra rongon

Ao anatin’ny fanadiovana amin’ny lafiny rehetra ny fiadidian’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, amin’ny hanadiovana ny ao anatin’ny Campus. Ny alatsinainy tamin’ny 9 ora maraina, nampandre ny polisim-pirenena ny teo anivon’ny fitondrana sy ny fitantanana Oniversite Barikadimy Toa­masina, fa misy mpianatra mivarotra zava-mahadomelina. Nanao andrimaso avy hatrany ny polisy. Nahitam-bokany izany, tratra tao amin’ ny varavarana fahafolo ao amin’ny Conaco, ny rongony dimy harona plastika sy fonosan-drongony miisa 17 ary sigara efa mifangaro rongony, taratasy fotsy famonosana ary hety fanapahana taratasy. Milanja 1 kg mahery ireto zava-mahadomelina tratra tany amin’ireto mpianatra ireto. Mpianatra ao amin’ny sampam-piofanana fitantanana, toekarena ary ao amin’ny sampam-piofanana taranja Malagasy ireto telo lahy tratra ireto. Ankoatra azy telo lahy, mpamily bajaj iray kosa voarohirohy ho mpiray tsikombakomba amin’ireto mpianatra ireto. Ity mpamily bajaj ity no voalazan’ny polisy fa mpitatitra ireo zava-mahadomelina miditra ny faritry ny Oniversite.

 

Sajo

Partager sur: