Nasitrika tao an-tanimbary : Sinoa hita faty tao anaty gony

Nolerana antsy teo amin’ny tendany ny teratany sinoa iray, monina eny Masindray. Nasitrika tao anaty gony ny razana. Nariana teny tanimbary avy eo. Nosamborina ny mpiambina tao aminy.

Hatairana ny an’ny fokonolona nahita gony namoaka fofona maimbo tao anaty tanimbary iray tao Amboaromanana, fokontany Ivoara, kaominina Ma­sindray, distrikan’Avaradrano, omaly maraina. Nampandre mpitandro filaminana izy ireo. Nakarina an-tanety ilay gony. Nosavaina, fatin’olona efa simba no tao anatiny. Tera­tany sinoa, monina 300 metatra miala an’io toerana io no hita tao. Nanao ny fizahana ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII Masindray. “Nahitana dian’antsy roa teo amin’ny tendany. Heverina ho efa maty herinandro lasa io teratany vahiny io. Nasitrika tao anaty gony izy ary nariana anaty tanimbary taorian’izay ”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao.

Ahina ny mpiambina

Mipetra-drery ilay sinoa novonoina. Manana fiompiana kisoa am-polony izy ao amin’ny tanànany. Mpiam­bina, araka izany, no mikarakara ny biby. Mponina hatry ny ela teny an-toerana raha teo izy. Manoloana ity tranga vono olona ity, nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo olona nifanerasera akaiky taminy.
Nentina natao famotorana lalina ny lehilahy iray mpiambina ny tanàna sy ny vehivavy sakaizany. “Hatreto, voamarina mazava fa vono olona niniana natao no nahafaty io sinoa io. Anatin’ny famotrorana lalina ny mpitandro filaminana izay mikaroka ny antony sy ny tompon’atoka tamin’ny famonoana azy”, hoy ny zandary mandray an-tanana ny fanadihadiana.
Tsiahivina, vao ny faran’ny herinandro teo no nahitana teratany sinoa iray namoy ny ainy tao amina trano fatoriana an’ny orinasa iray teny Ambohidratrimo. Fijanonan’ny fo tampoka kosa no nahafaty azy, araka ny fanadihadian’ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: