Fampandrian-tany: mametra-piadiana ny jiolahy

Ankoatra ireo mbola miziriziry, mibaboka sy milavo lefona tsikelikely ireo dahalo. Misy ireo manatitra fitaovam-piadiana mahery vaika eny amin’ny zandary. Miova fo tsikelikely!

Nilavo lefona! Namerina ny fitaovam-piadiana fampiasany ny dahalo tsy niseho tava tao Ambo­himitsinjo, fokontany Tani­mena, kaominina Fanjakana, distrikan’Isandra, omaly ma­raina tamin’ny 10 ora. Manao hetsika manokana hanentanana amin’ny alalan’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Tsy sahy niseho tarehy tamin’ny mponina manodidina noho ny tahotra amin’ny hanenjehana azy anefa ireo dahalo nametra-piadiana.

Nanatona mangingina ny sefo fokontany izy ireo ka nifampiraharaha taminy. Na­tolony io tomponandraikitry ny tanàna io ireo fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’izy ireo. Ilay sefo fokontany, araka izany, no nitondra ny basy teny anivon’ny biraon’ny zandary. Miisa telo ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo. Anisan’izany, ny “Fusil d’Assaut 7.62 mm type AKM” mitondra laharana PM 2371. Nampiarahan’ireo dahalo tamin’ny boite chargeur ébonite iray niampy bala telo (7,62 mm). Basy “fusil à pompe” marika Grizzly laharana 004613, niaraka amin’ny boaty famahanam-bala iray. Ankoatra ireo, napetrak’ireo dahalo eny anivon’ny zandary ao Androy/Tety Manody, koa ny Pistolet automatique tsy misy laharana sy ny basim-borona iray.

Tsy hery

Olana sosialy sy toekarena matetika no ao ambadiky ny tsy fandriampahalemana any ambanivohitra. Tsy ny fampiasana hery, araka izany, no mahavaha ny olana. Paikady iray, hanentanan’ny mpitandro filaminana ny olon-dratsy, ankehitriny, ny fifampiresahana. Tanjona ny hijanonan’ny herisetra sy ny famerenana tsisy arakaraka ny fitaovam-piadiana.
Marihina fa anisan’ny mahatonga ny asan-jiolahy tsy mijanona ny fananan’izy ireny fitaovam-piadiana hoenti-mangalatr’omby, fanafihana mitam-piadiana, hatramin’ny fakana an-keriny.
Raha tsiahivina, dahalo an’aliny koa niova fo vokatry ny fanentanana nataon’ny Kly Faneva tao Morondava, ny herinandro teo. Miverina amin’ny fiarahamonina izy ireny. Andrasana ny tohin’ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana manerana ny Nosy, hisian’ny fandriampahalemana maharitra.

Tsiferana R.

Partager sur: