Fanafihan-dahalo: lehilahy maty voatifitra tao ambany heliny

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny olon-dratsy ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny tanàn’Ampahidambo, fokontany Mandriambero, kao­minina Mahavelona, distrika Ankazobe, ny alin’ny alarobia 24 avrily teo. Nitsoaka ireo nahavanon-doza. Tsikaritr’ireo dahalo fa avy nanao vary, notafihan’izy ireo ny raim-pianakaviana iray. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo olon-dratsy efa-dahy. Notifirin’ireo olon-dratsy teo amin’ny faritra ambany heliny ilay lasibatra. Tapitra teo no ho eo ny ainy. Tsy naka na inona na inona ireo dahalo. Nikoropaka ny manodidina naheno ny feom-basy. Nian­tso ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antolojanahary izy ireo. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary. Napetraka avy hatrany ny paikady hisamborana ireo dahalo. Nosafoina avokoa ireo kizo heverina ho fieren’izy ireo. Nentin’ny fianakaviany nihazo ny trano fonenany teny Tanakely, anatin’ny fokontany Mandriambero, ilay lehilahy 33 taona voatifitra. Nozahan’ny mpitsabo ny razana. Bala natao tanana io nahafatesana olona io. Ma­rihina, tsy mbola mandry fahalemana ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ny kaominina sasantsasany, ao amin’ny distrikan’Ankazobe.

Tsiferana R.

Partager sur: