Opération « SARIKA 1 »: Jiolahy telo tratra teny Isotry

Mitohy ny hetsika « Sarika 1 » ataon’ny polisy ho famongorana ny asan-jiolahy mampikolay ny olona eto an-dRenivohitra. Nahitam-bokany izany satria jiolahy telo no tratran’ny polisin’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry. Tratra teo am-panendahana renim-pianakaviana iray ry zalahy. Nitondra antsy izy ireo nandritra ny fanendahana io vehivavy io, afakomaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny finday, ny peratra, ny karapanondrony, niaraka tamin’ny vola 120 000Ar. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy no nahasamborana jiolahy iray efa mpamerin-keloka amina halatra miharo herisetra. Voamarina tamin’izany fa anisan’ireo nanendaka ilay ramatoa izy io. Niainga avy amin’ny famotorana azy no nahatrarana ireo namany roa lahy teny Ampefiloha.

J.C

Partager sur: