Ramalason Olga : nanampatra fahefana tao Antsirabe

Vesatra momba ny tsy fangaraharan’ny fitanana teo amin’ny kaominina Antsirabe, tamin’ny taona 2008, no ihazonana vonjimaika any am-ponja an-dRamalason Olga, izay ben’ny Tanàna teo aloha. Tompondraikitra voalohany tamin’ny fanafoanana ny taratasim-barotra momba ny tany nolovain’olona izy. Niady teny anivon’ny fitsarana ny tompon-tany rehefa nahalala fa tsy misoratra amin’izy ireo intsony ny tany novidian’ny ray aman-dreniny, ny taona 1975. Nafoanan’ity ben’ny Tanàna teo aloha ity io taratasy fifampivarotana nisy tamin’izany fotoana izany io ka naverina namidy tamin’olon-kafa ny tany. Nampakatra ny raharaha ilay tena tompony ka izao niafara amin’ny fisamborana ny ben’ny Tanàna teo aloha izao. Ankoatra azy, olona miisa fito hafa voasaringotra amin’io raharaha halatra tany io.

Randria

Partager sur: