Arivonimamo: roa lahy nitazom-basy voasambotra

Nihazona basy tsy ara-dalàna, roa lahy nosamborin’ny polisy tao Ambohipeno Arivonimamo, ny 25 avrily teo. Nanao fisavana teny amin’ny Barrage securité, PK 48, ny mpitandro filaminana. Nosa­vain’izy ireo, tamin’io fotoana io, ireo roa lahy nandeha moto izay tsy nisy takelaby misy laharana “Plaque d’immatriculation”. Nahitana fitaovam-piadiana iray, niampy bala sy fanamiana mpitandro filaminana izay tsy nisy ara-dàlana tao amin’ny moto. Tsy vitan’izay, nahitana ody gasy koa teny amin’izy ireo. Natsahatra tsy nanohy ny lalany avy hatrany ireo roa lahy. Nanahy mafy tamin’ny fihetsiny ny polisy fa jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto sarona ireto. Nentina natao famotorana izy roa lahy. Nogiazana avokoa ny fitaovam-piadiana sy ny ody ratsy. Taorian’io, natolotra ny fampanoavana ireo voasambotra ka nohazonina vonjimaika any am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: