Hasarotam-piaro: karohina ilay lehilahy nanondraka asidra

Hifampitadiavan’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana, ny lehilahy iray nanondraka asidra ny vadiny tao Tsiroanomandidy. Tsy an’asa io lehilahy io raha toa ka miasa ao amin’ny fitsarana ao an-toerana ilay ramatoa. Nangataka hanao taratasy fisarahana anefa ramatoa rehefa nahita ny fitondran-tena tsy mendrika an’ilay rangahy. Nampiakariny tany amin’ny fitsarana ny raharaha ka tsy zakan-drangahy. Nandrasany kendritohina teo amin’ny vavahady hodiany ilay ramatoa vadiny ka notondrahany asidra ny tarehiny. Nitsoaka nandositra io lehilahy nahavanon-doza io taorian’izay. Nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy io ramatoa lasibatra io. Ity farany izay efa manaraka fitsaboana akaiky eny amin’ ny toeram-pitsaboana. Fantatra fa efa malaza ratsy manao herisetra amim-badiny toy izao hatrany ity raim-pianakaviana ity. Maro tamin’ireo olona mpifanolobodirindrina aminy no nentin-katezerana noho ny fihetsika mamoafady nataony. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: