Mitsindroka vary lo: noravana tamin’ny tifi-danitra

Mafy ny ady! Tsy manaiky ny nandorana sy nandevenana ny vary lo ny mponina ao Toamasina ka mikiry ny mamongatra izany. Voatery noravana tamin’ny tifi-danitra izy ireo.

Niafara tamin’ny tifi-danitra ny fandravan’ny mpi­tandro filaminana ireo andian’olona marobe nirohotra, nangady vary simba efa nodorana tao Antanan­dava Toamasina, ny zoma alina teo.

Tena noana izahay! Izay no hiakiakan’ny mponina izay mikafiry sy mikasa ny hamongatra indray ny vary lo. Tsy misy ahiahy amin’ny fahasalamana fa nihoso-potaka ny vahoaka ary nanao ambo­letra.

Vokany, tsy maintsy nandray fepetra ny mpitandro filaminana nandrava sy nanakana. Nisy ny telo lahy voasambotra, tamin’izany. Mainka nampiakatra ny hatezeran’ny olona ny fisamborana ny naman’izy ireo. Raikitra ny tora-bato nanoherana ny mpitandro filaminana. “Noana izahay, vary mbola azo hanina kanefa arianareo. Aza ampijaliana izahay fa tsy mankarary anay io vary io. Efa nisy tamin’ireo namanay no efa nihinana io vary io fa tsy marary izy ireo», hoy ny antsoantso nataon’ireo vahoaka marobe. Tsy voasakana fa niroso tamin’ny fangadiana ireo vary lo efa nodorana ihany ireo vahoaka.

120 kaontenera
Ankoatra ny vary efa nodorana sy nalevina, fantatra ihany koa, araka ny angom-baovao marim-pototra fa efa misy vary manodidina ny 120 kaontenera avy any Pakistan efa misy fahasimbana, mbola ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.
Mahakasika ireo vary efa nodorana sy nalevina ireo dia nitondra fanazavana ny tonia mpampanoa lalàna, fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, fa efa simba ireo vary ireo ka tsy azo hanina in­tsony. Efa nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny sampandraharahan’ny Varotra sy ny fanjifana ary ny OMC mialoha izao fanapahan-kevitra izao amin’ny handorana ireto vary ireto.
Naneho ny heviny hatrany ireo andian’olona marobe manoloana ity raharaha ity. Mampalahelo ihany ny ataon’ny mpitondra fanjakana satria tokony hozaraina mialoha amin’ny vahoaka ny vary toy itony fa tsy andrasana ho simba toy izao. «Aleo lo toy izay ho an-kavana marina», hoy izy ireo.

Sajo

Partager sur: