Ankoalabe ; Foroche dimy lahy tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ Antalaha, ao Ankoalabe Antalaha, afakomaly, ny jiolahy dimy. Voarohirohy amina raharaha fanakorontanana sy fikambanan-jiolahy mivondrona ao anatin’ny fikamban-jiolahy mpanao herisetra antsoina hoe «Foroche» ry zalahy ireto. Marobe ireo fitairanana voarain’ny polisy momba ny fisiana andian-jiolahy manakorontana sady mampihorohoro ny mponina ao an-toerana. Nidina teny an-toerana ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’ireto andian-jiolahy ireto. Vao nahatazana ireo polisy anefa ireo jiolahy dia nandositra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana ka jiolahy roa no tratra mialoha. Ny iray hafa kosa noraisim-potsiny nisitrika tao anaty trano iray manodidina ny toerana nisamborana azy. Nitohy ny fisamborana, izy ireo indray no nanoro ny polisy ny toerana misy ireo namany niafina tao Antsonasona. Ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa mivondrona ao anatin’ny antsoina hoe «foroche» izy dimy lahy tratra ireto. Nilaza izy ireo fa mpanakorontana fiarahamonina no sady ao anatina fikambanan-jiolahy any amin’iny faritra iny ihany. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana famotorana ireto jiolahy ireto. Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany.

J.C

Partager sur: