Fipoahana herinaratra : Trano lehibe iray kila hotohoto teny Bemasoandro Itaosy

Nandravarava indray ny afo teny Ankadilalana, Bemasoandro Itaosy, omaly tolakandro. Trano lehibe iray misy rihana kila hotohoton’ny afo. Lasa lavenona ny ankamaroan’ireo entana tao an-trano.

Ny akanjo teny an-koditra sisa! Nitrangana haintrano indray teny Ankadilalana Bemasoandro Itaosy, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Trano gasy lehibe iray misy rihana no kila hotohoton’ny afo. Lasa lavenona ny ampahan’ireo entana tao an-trano. Araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray manoloana ity trano nirehitra ity, setroka maintibe nivoaka avy any amin’ny valin-drihana no nanaitra ny mponina teo amin’ny manodidina. «Samy mbola variana teto am-pivarotana izahay fa ny afo efa nirehitra teny an-tafon-trano nidina tato amin’ny rihana voalohany no nahataitra anay», hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray, mpivarotra nahita maso ny fiantombohan’ny afo. Fianakaviana maromaro no mipetraka ao amin’ity trano ity, araka ny fanazavana voaray teny an-toerana. Levon’ny afo avokoa ny ankamaroan’ ireo entana tao an-trano. Nifanome tanana tamin’ny famoahana ny entana azo navoaka haingana sy namono ny afo ny olona teo amin’ny manodidina mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina.

Tsy nisy naratra…

Fotoana fohy taorian’ny firehetana, tonga teny an-toerana ny fiaraben’ny mpamonjy voina namono ny afo. Nanao izay ho afany ny mpamonjy voina tamin’ny famonoana ny afo. Voafehy ihany izany ka tsy niitatra tamin’ireo trano mifanila tamin’ity may ity. May amin’ny ampahany ny entana tao an-trano. Nilaza ny teo anivon’ny mpamonjy voina fa ahina ho fipoahana herinaratra no nitarika ny firehetana. «Tombana fotsiny ihany izany fa ny valin’ny fanadihadiana no mamaritra ny marina rehetra momba izany», hoy ny fanazavana. Tonga teny an-toerana koa ny mpitandro filaminana niambina ny entan’ ireo niharam-boina satria efa tsikaritra nihaodihaody teny ireo mpanararaotra amin’ny fahavoazan’ny olona toy izao. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny aina nafoy na naratra nandritra ity loza ity. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ity firehetana ity.

J.C

Partager sur: