Maintirano: takalonaina efatra avotry ny Emmo/Reg

Ankizivavy 15 taona sy 12 taona ny roa tamin’ireo efatra avotry ny mpitandro filami­nana teny am-pelatanan’ny dahalo mpaka an-keriny, tao amin’ny fokontany Bemena, kaominina Andrea, distrikan’i Maintirano, afakomaly. Na­lain’ny olon-dratsy teny an-dalana ireo olona efatra ireo, ny 26 avrily teo, tamin’ny 2 ora tolakandro. Samy nanana ny toerana halehany ny mpandeha maromaro kinanjo nifanehatra tamin’ny dahalo. Nanao paikady, nanara-dia ireo olon-dratsy ny zandarimaria miasa ao an-toerana, ny Tafika ary ny FIP. Nanao sakana tamin’ ny toerana noheverina handalovan’ireo mpaka an-keriny. Niafina tao amin’ny alan’ Analakinapa anefa ireo dahalo. Nandrahona ny fianakavian’ny lasibatra izy ireo fa hovonoiny ireo takalonaina raha toa ka tsy miverin-dalana ny mpitandro filaminana. Tetsy ankilany, nanohy ny fanarahan-dia ireto farany. Vokany, votsotra teny amin’ny mpaka an-keriny ny vehivavy iray 15 taona, ny 28 avrily. Nanome loharanom-baovao ny mpa­nara-dia izy. Olona miisa telo hafa mbola teny am-pelata­nan’ireo dahalo saingy efa niova toeran-kafa izy ireo. Nanohy ny hazalambo ny zandary sy ny namany, ny tolakandron’io andro io. Avotra soa aman-tsara teny amin’ireo dahalo ireo olona telo. An­kizivavy 12 taona ny iray tamin’ireto farany. Hanamafy ny paikady hamongorana ireo tambajotran-dahalo mpaka an-keriny ny zandarimaria ao Melaky.

Tsiferana R.

Partager sur: