Halatra omby : dahalo roa lahy lavon’ny bala

Dahalo mpangalatra omby maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Ambatoasana, fokontany Ankidona avaratra, koaminina Soavimbazaha, distrikan’i Miarinarivo, ny 28 avrily teo. Nitrangana halatra omby tao amin’io fokontany io, ny 18 avrily lasa teo tamin’ny 1 ora maraina. Niroso tamin’ny fikarohana ny zandary ka voasambotra ny olona efatra ahiahina tamin’ny fangalarana. Niampy telo indray ireo saron’ny mpitandro filaminana, ny 28 avrily teo. Atidoha nikotrika sy mpiray tsikombakomba mivantana tamin’io halatra omby io izy telo ireo. Nanohitra ny zandary nisambotra azy anefa ny iray. Maty nandritra ny fifandonana ity farany. Ankoatra io, dahalo roa lahy koa tratran’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohi­manambola, kaominina Manazary, distrikan’i Miarinarivo, ny talata 28 avrily teo. Nangalatra omby miisa roa ireo olon-dratsy ireo ka nifanenjehan’ny fokonolona. Tafaporitsaka ny iray saingy efa ananan’ireo nanatri-maso ny mombamomba azy. Nentin’ ny mpitandro filaminana hihazo ny biraony io dahalo iray io kinanjo nandositra. Nanda ny fampitsaharana azy izy ka lavon’ ny bala.

Tsiferana R.

Partager sur: