Kidnapping ao Ankazobe: voasambotra Rabevolamena na Lemizana

Nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana hatry ny ela, voasambotra tao Mahajanga, afakomaly, i Lemizana na Rabevolamena. Dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’Anka­zobe. Atidoha nikotrika ta­min’ ny famoizan’aina olona miisa 38 sy fandorana tanàna tao Anosikely izy, ny taona 2022. Namono nahafaty zandary iray am-perinasa tany Amba­to­manga, fokontany Maro­mandia, kaominina Antaka­vana.
Mpiray tsikombakomba taminy ny rahalahiny izay ni­petraka tao Ambatoboeny. Namoy ny ainy nandritra ny fisamborana azy tany Amba­tomainty, fokontany Maroman­dia, kaominina Antakavana, io mpiray tampo amin’i Lemi­zana io. Nanohy ny hazalambo hanatrarana an’io atidohan’ny fakana an-keriny io ny mpitandro filaminana.
Vokany, tratran’ny zandary nandritra ny vela-pandrika natao azy izy. Nanamafy ny ben’ny tanàna an’Ambolota­rakely sy ny zandary miasa ao an-toerana fa i Lemizana tokoa ilay voasambotra. Etsy ankilany, nilaza ho tsy maharaka ny raharaha, ny kaomandin’ny kaompania eo anivon’ ny zandarimaria ao Maha­janga, raha nantsoina an-telefaonina, omaly.
Marihina fa anisan’ny mbola karohina koa i Radobe, izay voalaza fa misy olona ambony anatin’ny mpitandro filaminana manafina azy aty an-drenivohitra

Tsiferana R.

Partager sur: