Nandrika ny ra teny Fenoarivo: olona roa naratra notifirin’ny jiolahy

Olona roa naratra mafy voatifitry ny jiolahy teo amin’ny sorony sy ny sandriny nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Fenoarivo, afakomaly. Finday ihany anefa no lasan’ireo mpanafika.

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao amina tokantrano iray, fokontany Ambohijatovo, kaominina am­banivohitr’i Fenoarivo, distri­kan’Atsimondrano, afakomaly. Naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ireo jiolahy ny olona roa tao an-trano. Lehilahy iray voatifitra teo amin’ny sorony. Teo amin’ny tanany kosa ny vehivavy iray. Nandriaka eran’ ny trano ny ran’ireo niharam-boina.
Araka ny fanazavan’ireo lasibatra, dahalo eo amin’ny 10 lahy eo ho eo no niditra an-keriny tao an-trano. Nisy ny niandry teny ivelany, nisy ny tafiditra tao an-trano. Tsy nihambahamba ry zalahy. Notifirin’izy ireo avy hatrany ny varavarana. Vantany vao tafiditra, nanambana basy ireo olona tao an-trano ny olon-dratsy. Lasan’ny mpanafika ny finday telo tao an-trano. Izay ihany no nalain’izy ireo. Tsy naka entana sarobidy hafa.

Vodim-bala roa
Nitsoaka ny jiolahy taorian’izay. Vetivety dia tonga ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo sy ny zana-tobim-paritra Ambohijafy. Hitan’ireto farany nandritra ny fizahana teny an-toerana ny vodim-bala roa efa nipoaka. Nentina eny amin’ny hopitaly HJRA ireo naratra. Avotra soa aman-tsara izy ireo. Name­traka sakana mba hahafahana manenjika ireo olon-dratsy ny zandary.
Tsy mbola misy ny olona voasambotra na ahiahiana ho tompon’antoka amin’izao raharaha fanafihana mitam-piadiana izao. Marihina fa isan’ ireo faritra somary mafam­pana amin’ny tsy fandriampahalemana ny ao Fenoarivo. Misy kosa ny ezaka ataon’ny zandary ao an-toerana amin’ny famongorana ny asan-jiolahy.

Jean Claude

Partager sur: