Nifanehatra tamin’ny zandary : mpangalatra solika maty voatifitra

Maty voatifitry ny zandary hisambotra azy ny jiolahy mpangalatra solika tao Analavory tapon-tanàna, ny 30 avrily misasakalina. Tsikaritry ny manodidina ny fisian’io lehilahy io. Niantso ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Niezaka nandositra ilay mpangalatra ka nifanenjehan’ireto farany. Niafina tao anatina dabam-pako izy. Nahatazana ny zandary, nikasa handositra fanindroany indray io lehilahy io. Nanome baiko ity farany ny mpitandro filaminana mba hijanona. Nanao tongotra an-katoka io jiolahy io ka voan’ny bala. Nandriaka ny ra. Tsy tana intsony ny ainy. Sarona teo akaikin’ny kamiao lehibe nanaovany ny asa ratsiny avokoa ny fitaovana nampiasany. Voamarina, efa nigadra tany am-ponja inenina ity mpamerin-keloka ity. Nozahan’ny mpitsabo ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io ary natolotry ny fokonolona ny fianakaviany tao­rian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: