SMM : “Tsy mbola meloka ireo kandidà nosamborina”

“Ny olona efa voadidin’ny didim-pitsarana raikitra ho voasazy no atao hoe olo-meloka. Mbola tsy meloka ilay olona raha mbola tsy izay didim-pitsarana raikitra izay no mivoaka”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbitanarivo, ny amin’ny fisian’ny kandidà depiote nosamborina ary enjehina ara-pitsarana amin’izao. Ny dikan’izay, rehefa voarain’ny eo anivon’ny Ceni ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho depiote: kandidà izy amin’izany ary miroso amin’ny fifidianana. Raha alohan’ny firotsahan-kofidiny no efa voamarika mazava hoe efa voaheloka amin’ny didim-pitsarana raikitra, tsy tokony ho azo noraisina ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiny. Mbola antontan-taratasy na raharaha mandeha ny amin’ireo kandidà voatana am-ponja vonjimaika na enjehina ara-pitsarana, fa tsy mbola misy fitsarana vita na didim-pitsarana raikitra mivoaka. Tsy mbola olana izany, fa mandeha izao ny mialoha ny fampielezan-kevitra ary handeha ny fampielezan-kevitra.

R. Nd.

Partager sur: