Tatitry ny Pac ho an’ny taona 2023: maro ireo olon-tsotra nitory depiote sy minisitra

Nanao tatitra ny zava-bitany nandritra ny taona 2023 ny eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha. Nampahatsiahy indray ny asany izy ireo ary nitanisa ireo fitoriana voaray.

Miisa 316 ireo dosie nokirakirain’ny Pac ka nahavoarohirohy olona 1 346 izany. Miisa 1 110 ireo nahazo fahafahana vonjimaika raha 124 ireo naiditra am-ponja. Mitentina 35,7 miliara Ar kosa ny volam-panjakana voahodinkodina ho an’ny taona 2023.
Ankoatra izany, 49% amin’ireo antontan-taratasy no efa voatsara ary mitentina 28 miliar Ar ny lamandy tokony haloan’ireo voakasika taorian’ny fitsarana.
Nanterin’ny mpandrindra nasionalin’ny Pac, Rabarijohn Rivo Nandrianina, fa maro anisa amin’ireo nahazoana fitoriana ny fanamparam-pahefana sy ny fanodinkodinam-bola, ny depiote sy minisitra, na koa mpanatanteraka. Maherin’ny 14% amin’ireo dosie voarain’izy ireo izany raha latsaka izany avokoa ny fitoriana na fitarainana momba ireo tale sy mpitantana na tomponandraiki-panjakana ambony hafa.
Na izany aza, olana sy sakana amin’ny asan’ny Pac ny fisian’ny zo tsy azo enjehina sy ny fangatahana alalana afahana manenjika olona iray ho an’ireo sokajin’olona manokana.

Tsy mijery loko politika
Nambarany koa fa mitovy amin’ny fitsarana rehetra ihany ny Pac manoloana ny ady ifanaovan’ny olona roa ka ilazana fa miangatra ary mitady iresahana fa misy loko politika. “Fitsarana ny anay fa tsy miloko politika ary mitovy avokoa ny rehetra eo anatrehanay”, hoy ihany izy.
Nohazavainy koa ny momba ny kandidà Ramalason Olga, ka nambarany fa tsy midika hoe kandidà ny olona iray ka tsy azo enjehina. “Mbola ao anatin’ny fandinihana izahay izao ary hajaina ny tsiambaratelon’izany. Na izany aza, tsy mamoaka olona fahatany izahay fa navoaka izy rehefa nangataka fahafahana vonjimaika”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: