Nihidy irery tao an-trano: tovolahy 15 taona maty kilan’ny afo

Kilan’ny afo tao an-trano ny tovolahy iray 15 taona, afakomaly. Tsy afa-nitsangana sy nanavo-tena izy rehefa nitranga ny loza, noho ny toe-pahasalamany.

Hotohoton’ny afo, maty tsy nialana nenina ny tovolahy iray 15 taona, tao amin’ny fokontany Avara­tsena, kaominina Tsiroano­mandidy, ny 4 mey teo tamin’ ny 3 ora tolakandro. Nijanona irery tao amin’ny trano fonenany ity niharam-boina. « Ma­nana olana ara-pahasalamana izy ka tsy afa-mitsangana loatra sy tsy afa-miresaka ma­zava », araka ny angom-baovao voaray eo anivon’ny zandary ao an-toerana, azo an-telefao­nina halina.
Taitra tampoka ny mpivarotra nifanila trano raha nahita ny trano nirehitra. Niredareda ny afo. Nikoropaka namono izany niaraka tamin’ny manodidina izy ireo. Nihidy anefa ny trano. Nikiry haka ilay ankizy tavela tao anatiny ny fokono­lona. Nanampy tamin’ny fahavoazana, ny rivotra somary nahery. Tsy avotra ilay tovo­lahy. Kila hotohoton’ny afo, lasa lavenona tao anatin’ny minitra vitsy ilay trano.

Nifampitadiavana
Nandritra ny fotoana ni­trangan’ny loza, nifampitadiavan’ny mponina manodidina ny renin’ilay lasibatra. «Ma­nana olana ara-tsaina rahateo ilay reniny», hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana nidina ifotony nijery ny zava-nitranga. Tsy nisy noraisina intsony tao amin’ilay tokan­trano may.

Mpitsimpona tavoahangy plastika sy arina fandrehitra no asan’ilay renim-pianakaviana. Mainka nampirehitra ny trano tao anatin’ny minitra vitsy monja izany. Nalevina ny sabotsy teo, tao amin’ny fasam-bahiny ao Avaratsena ihany, ilay namoy ny ainy.

Tsiferana R.

Partager sur: