Poa-basy inefatra: raim-pianakaviana naratra voatafika

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Ampanataovana Atsimo, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, ny alahady alina teo. Raim-pianakaviana iray naratra teo amin’ny tanany…

Raim-pianakaviana iray naratra nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny amin’ny fokontany Ampanataovana, kaominina Ampanotokana, distrikan’ Ambohidratrimo, ny alahady alina tamin’ny 11 ora. Jiolahy valo nitondra basy no tompon’antoka tamin’ny fanafihana, araka ny tatitra nampitain’ ny zandary avy ao amin’ ny zana-tobim-paritra Ambo­hi­miadana. Nanapoaka basy inefatra nifanesy ireo malaso sady niditra an-keriny tao amina tokantranon’olona roa samy hafa ka nandroba ny vola sy ny entana tao an-trano. Tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny fokonolona teo amin’ny manodidina noho ny tahotra sy ny herisetran’ireo olon-dratsy. Nony efa lasa kosa ry zalahy vao samy nifampiantso vonjy ireo fokonolona teo an-tanàna. Lasan’ ireo mpanafika ny vola 5 hetsy Ar, finday niaraka tamin’ny lecteur DVD iray. Fotoana fohy taorian’ny fanafihana, tonga teny an-toerana ny zandary avy ao Ampa­notokana. Nen­tina namonjy toeram-pitsaboana ilay niharam-boina.

Savahao ataon’ny zandary…
Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary fa basy vita tanana sy antsy no nampiasan’ireo olon-dratsy nandritra ity fanafihana ity. Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa raim-pianakaviana iray no naratra teo amin’ny tanany nandritra ny fifanjevoana tamin’ireo jiolahy. Tsy mbola fantatra kosa ny mombamomba ireo mpanafika. Nisy, araka izany, ny fanarahan-dia sy ny savahao niarahan’ny zandary sy ny fokonolona tao anatin’ ireo fokontany mpifanila vodirindrina, hatramin’ny omaly maraina. Nisy koa ny fanamafisana ny paikady amin’ny fiambenana isak’alina. Hatra­min’izao, tsy mbola nisy olona tratra na ahina ho tompon’antoka tamin’izao asan-jiolahy izao. Aorian’ny fanarahan-dia ataon’ny zandary no hamantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity.

Jean Claude

Partager sur: