Kamiaobe nivadika : olona dimy namoy ny ainy

Olona 20 naratra mafy, dimy namoy ny ainy. Kamiao be mpitatitra eladrano tapaka hisatra no nahatonga ny loza.

Nitrangana lozam-piarakodia nahafatesan’olona tao ambavaranon’i Manambaroa, fokontany An­jaha Soatanimbary, kaominina ambanivohitr’i Satrokala, dis­trikan’Ihosy, omaly. Kamiaobe iray miasa ao amina toeram-pitrandrahana eladrano, any amin’iny faritra avaratra, anatin’ny kaominina ambanivohitr’i Mahasoa, ity niharan-doza ity. Avy any amin’ny toeram-pitrandrahana hiampita ny renirano Manambaroa no tapaka hisatra tampoka ilay fiara. Vokany, nivadibadika ny fiara. Naratra ireo olona 20 tao anatiny: mpamily sy mpanampy mpamily ary mpiasa ao amin’ny kariera.
Olona dimy niara-namoy ny ainy. Fito naratra mafy, nentina avy hatrany namonjy ny hopitaliben’Ihosy rehefa nahazo fitsaboana maika tao Satrokala. Tonga tany an-toerana nanao ny fanadihadiana ny zandary. Efa nahazo fitsaboana sahaza azy ireo naratra. Efa natolotra ny havany kosa ireo namoy ny ainy, taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera. Tazonina hanaovana famotorana ao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria ao Satrokala ny mpamily. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary.

Olona 16 hafa koa naratra…
Taksiborosy iray mampitohy an’Antananarivo sy Am­ban­ja niharan-doza tao Tsaramaraina/Anjiajia, fokontany Manjakavaradrano, kaominina ambanivohitr’i Maha­tsinjo, distrikan’i Maeva­tana­na, Pk 204+500 (RN 4), omaly. Nanana olana tao amin’ny hisatra ity taksiborosy ity ka nivoaka ny lalana, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. Nivadibadika ny, ka 16 tamin’ireo mpandeha no naratra. Telo amin’ireo naratra anefa no voalaza fa tena voa mafy. Nentina haingana nihazo ny hopitalin’i Maevatanana sy ny CSB 2 Andriba ireo naratra. Potika tanteraka ilay taksiborosy.

Jean Claude

Partager sur: