Mahitsy: mpamaky trano tra-tehaky ny zandary

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray namaky trano, an’ny mpifanolobodirindrina aminy, tao amin’ny fokontany Ambohimilemaka, kaominina Mahitsy, omaly. Nanararaotra ny tsy fisian’ny olona tao amin’io trano io ilay olon-dratsy. Nalainy avokoa ny entana, toy ny fahitalavitra, ny 26 avrily lasa teo. Niverina tao an-trano ny tompontrano, efatr’andro taorian’io, foana ny entana sarobidy rehetra. Nametraka fitoriana teny anivon’ny biraon’ny zandary avy hatrany izy. Niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ireto farany. Fito andro taorian’ny vaky trano, voaporofo fa ilay lehilahy mpifanolobodirindrina no nahavanon-doza. Tratra ireo entana very. Nohazonina natao fanadihadiana io olon-dratsy io ary naverina amin’ny tompony ny entana.

Tsiferana R.

Partager sur: